airtel

Sport

19-avril-2024

Tsipy kanetibe angadintsika sy ny Frantsay

Hafahafa ny tsy fampidirana azy amin'ny Lalao Olaimpika…

Sample post image

Inona no mahazo ny tsipy kanetibe no toa tsy mbola isan'ireo taranja hifaninana amin'ny Lalao Olaimpika

19-avril-2024

ihany nefa ny taranja hafa izay vitsy mpiangaly toy ny mihani-drindrina sy mandihy mivilambilana (break dance) aza eo ao. Azon-doza ve sa inona marina satria ao Paris no kianja hilalaovana ary ny Frantsay no tena tompon'ity tsipy kanetibe ity fa dia tsy tafita ny hafatra. Mbola Frantsay, Ingahy Claude Azéma, koa aza no filohan'ny federasiona iraisam-pirenena fa asa izay heloka vitany fa tsy tafampita ny hafatra. Raha tsy hiadian-kevitra anefa ny handrombahan'ny Frantsay ny maro amin'ireo medaly dia ity no mety hitondra izany medaly olimpika voalohany hoan'i Madagasikara izany. Efa betsaka mantsy ireo Malagasy tompondaka eran-tany toa an'i Jean sy Racle ary Kailas tany Saint Denis na koa Nanou, Hery, Lova ary Mims tetsy Mahamasina. Nisy koa ireo tompondaka teo amin'ny tifitra toa an'i Carlos tany Pattaya ary ireo Juniors toa an'i Faneva tany Santa Susanna. Tena manavanana ny Malagasy tokoa ity tsipy kanetibe ity ary nisy mihintsy nalain'ny ekipam-pirenena hafa toa an'i Paps Emile izau any Suisse. Raha izao no mitohy dia mety halain'ny Canada koa i Rinah Mahefa izay efa monina any ary efa tompondaka eran-tany teo amin'ny Juniors ihany niaraka tamin'i Toutoune, Ony ary Lahatra. Efa any rahateo koa no mipetraka i Taratra ary efa miaraka amin'ny Malagasy any an-toerana saingy tsy mbola mizaka ny zom-pirenena kanadianina toa an'i Rinah Mahefa. Ary na any Frantsa aza dia mety voasarika haka an'i Racle Christian Andriantseheno izay mitana ny laharana fahatelo koa ry zareo Frantsay. Fa betsaka ireo mpilalao malagasy mahay no mipetraka any toa an'i Cocklet, Masaka, Jex ary Lahatra. Raha olana ara-bola izany dia afaka manavotra ireo mila ravinahitra ary mivelona amin''ny tsipy kanetibe satria afaka hosolon-tena tsara an'i Madagasikara. Saingy ny olana amin'izay dia ho lasa lehilahim-bomanga indray ny eto an-tanana ary dia ho lasa fitadiavam-bola fotsiny ihany. Efa nanome toro-hevitra mahakasika izany anefa i Claude Azéma mba tsy hatao volabe ny loka fa manimba ilay taranja moa ity fomba fanao hoe mizara ity tehefa tonga any amin'ny ampahaefa-dalana dia tsy ahitana izay tena mafy. Hatreto aloha dia anarana vitsivitsy ihany no re matetika kilasiana ho henjana dia Baloti, Havana, Tafita, Donald, Iaro, Talis ary Andry Kely sy Palin avy any Antsirabe. Mbola mety misy hafa avy any ambanivihotra rehetra any satria isaky ny elakelan-trano eto Madagasikara dia saika ahitana mpilalao tsipy kanetibe daholo. Ny mampalehelo aza noho ny tsy fahampian'ny enti-manana dia efa tailana sy tsy borobory intsony no ampiasaina. Raha izao moa no tonga saina ireo mpilatsaka hofidiana ho solombavambahoaka no tsy manome jiro intsony fa mba fitaovana ho an'ny tsipy kanetibe dia mety ho hafahafa ny sary..
Clément RABARY

 

Dans la même rubrique

02-mai-2024

Mafy, tena mafy ity Miotisoa Rasendra ity raha samy junior ihany.

Card image cap
30-avril-2024

Nafana indray teny amin’ny kianja Ampasaborona Ambohidroa eny Ambohimanarina ny alahady lasa teo,

Card image cap
30-avril-2024

Afaka ny gadran'ny FSBM. Raha ny heno farany mantsy dia efa nofafan'i Claude Azéma

Card image cap