airtel

Sport

05-avril-2024

Tsipy kanetibe

Efa mieritreritra ny ho tafavoaka ny ala ny FSBM

Sample post image

Asa aloha izay fifanarahana nataon'ny filohan'ny FSBM,

05-avril-2024

Adrien Andrianirina tamin'i Claude Azema fa toa efa mianga any ny fanesorana ny sazy mianjady amin'ny tsipy kanetibe malagasy.Mety ho tohin'ny resaka hoe i Azéma anie no nametraka an'ity filoha vonjy maika ity rehefa noesoriny i Amir Andriamilerovason. Izay ho fanosegany any aloha fa ny tsara dia afaka ny sazy. Toa miroso amin'izany mantsy ny fanambarana mikasika ny fifaninana Amboaran'i Madagasikara izay manomboka anio any Antsirabe ka izay maharesy eo amin'ny lahy sy ny vavy no mandeha any Maraoka mandritra ny fiadiana izay ho tompondakan'i Afrika ny volana jona izao. Hiady noho izany ity fiadiana ny Amboaran'i Madagasikara ity satria eo amin'ny lehilahy olon-telo miaraka dia mahatratra 2 tapitrisa ny vola ho azo miampy ireo Amboara ary misy iray koa omena ny klioba. Dimy alina sy fito hetsy kosa no azon'ny faharoa raha dimy hetsy ny faharoa sy fahatelo.Dimy alina ariary kosa no saram-pisoratana anarana ho an'ny vehivavy sy tanora ary ny zokiolona.Ny voalohany amin'ireo no mahazo enina hetsy raha telo hetsy ny faharoa. Roa hetsy avy no azon'ny fahatelo sy fahaefatra.Any Antsirabe eo anoloan'ny Gara izany no fotoana ho an'ny rehetra na ny marimarina kokoa dia ireo manana ny karatra fikalaovana 2024 ihany . Fomba iray ho an'ny FSBM koa izany hampidirana ny omby any am-bala.
Clément RABARY


 

Dans la même rubrique

15-mai-2024

Very aho 77 tapitrisa Dolara, hoy ireo mpitia baolina kitra malagasy manoloana ity

Card image cap