Mbola baraingo aloha hatreto ny fandraisan'ny Malagasy anjara eo amin'ny sehatra iraisam-pirenena Ary ny loza dia mety tsy ahazo handray anjara amin'ny Lalaon'ny Nosy ity taranja fa fantatra fa tena angadin'ny Malagasy. Miankina amin'ny fandoavan'ny ministeran'ny Fanantanjahantena sy Tanora ny volan'i Dollys Randriamarohaja moa no famahana ny olana raha ny resaka mandeha na dia efa tsy mitaky izany aza ny zanak'i Itompokolahy. Ny filoha Azéma mihintsy no mitaky ny hanefan'ny MJS izany trosa efa neken'ny Tale Jeneraly Rosa Rakotozafy ny handoa aza ka nahatonga an'i Dollys Randriamarohaja mbola niantoka indray ny dia tany Lomé nandritry ny fiadiana ny tompondakan'i Afrika. Hatreo izany iny saingy tsy nanakana ny FSBM tsy hikarakara hetsika eto an-toerana toy ny faran'ny herinandro ho avy io. Hisokatra ny 18 sy 19 martsa izao tokoa ny taom-pilalaovana 2023 ary hitontosaina eny amin'ny PAC Ampitatafika izany. Ny lehilahy olon-telo miaraka no tena goavana satria raha 3 alina ariary ny saram-pisoratana dia tafakatra 1 tapitrisa ariary ny vola omena ny mpandresy miampy amboara. Ny faharoa koa dia mbola mandray 600 000 ariary raha 2 hetsy ny fahatelo sy fahaefatra. Mitovy kosa ny loka raisina ny zokiolona olon-telo miaraka sy juniors ary ny vehivavy. Samy 2 alina ariary ny fandraisana anjara. Fa ny mandresy eo amin'ny sokajy telo ireo no mandray 3 hetsy ariary ary 1 hetsy ho an'ny faharoa raha 5 alina ny fahatelo sy fahefatra. Somary kely ireo loka ireo raha oharina amin'ny ataon'ny klioba sasany fa izay angamba aloha no azo atolotra.
Clément RABARY
Tonga eo amin'ny tsotsorimamba hisaraha ireo ekipa hanao ny manasa-dalana eo amin'ny Orange Pro League. Ho hafa kely ity indray mitoraka ity satria ireo niraivondrona tany Avaratra no hifanasa vangy.
Mandray anjara amin'ny Amboara Billie Jean King any Lesotho ny mpanao tennis vehivavy.. Ao amin'ny Vondrona faha IV
Lasa tena resabe ilay lisitra navoakan'i Roro. Midika izany fa tena betsaka mpanaraka sy mpankafia hatreto ny Barea na dia efa tapi-dalan-kaleha aza taorianan'iny fandresena indroa nanoloana ny Centrafrique iny .
Taorian’ny faharesena an-jaridaina ny alin’ny sabotsy teo tamin’ny isa mazava 1 noho 3 dia rava hatreo ny fanantenan-dry Rayan Raveloson sy ny namany ao amin’ny A.J.