airtel

Sport

21-févr-2024

Tsipy kanetibe

Mbola tsy tafavoaka ny ala i Madagasikara

Sample post image

Mafy no mahazo ny tsipy kanetibe eto Madagasikara.

21-févr-2024

Efa nanaiky ny toromarika avy amin'ny Filohan'ny federasiona iraisam-pirenena, Claude Azéma, ka nametraka an'i Adrien CB2A, ho filoha vonjy maika nefa hatreto dia mbola tsy nahita mangirana. Mbola tsy mazava rahateo ny valinteny avy amin'ny Ministeran'ny Fanatanjahantena mikasika ilay vola be an'i Dolys Randriamarohaja niantoka ny ekipam-pirenena tany Shanghai sy Lomé, ary izay no mampikatso ny raharaha. Tena mikatso ary manamarina izany ny fandaharam-potoana navoakan'ny FSBM farany izay tsy misy fandraisana anjara eo amin'ny sehatra iraisam-pirenena. Samy mahafantatra anefa fa ny tsipy kanetibe no hany taranja mety ahazoan'ny Malagasy anaram-boninahitra eran-tany betsaka indrindra.Na ry zareo Frantsay aza dia tena matahotra ny hifanena amin'ny Malagasy.Eo amin'ny laharana fahatelo any Frantsa izao i Rachre Andriantseheno izay efa tompondaka eran-tany niaraka tamin'i Jean Robot sy Kailas tany La Réunion.
Clément RABARY
 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Rahampitso no hanao ny lalao fanokafana ny Lalao Olaimpika 2024 any Paris.

Card image cap
25-juil-2024

Raha rahampitso ny lanonana ofisialy hanokafana ny lalao olaimpika na JO 2024 tanterahana any Paris,

Card image cap
24-juil-2024

Vaovao mahafaly ny fiverenan'i Kendji Van Boto milalao indray taorian'ny ratra nahazo azy.

Card image cap
24-juil-2024

Vaovao tsara ho an'ny basketball malagasy ny fifindran'i Mathias M'Madi

Card image cap