airtel

Sport

30-août-2024

Sport

Tsipy kanetibe Mitafy henatra ny Malagasy any Frantsa

Sample post image

Mampalahelo. Misy zavatra hafahafa ao. Manala-baraka.Izany no feo re etsy sy eroa taorian'ny

30-août-2024

faharesena goavana ny ekipa malagasy mandtay anjara amin'ny Masters.Ny tena sy mahamenatra hoy izy ireo dia ilay nanaovan'ny ekipa Helfrick an'izy telolahy, Hery, Havana ary Baloti, 13 noho 0.Tsy mbola nisy toy izany tanatin'ny 60 taona.Nampibaribary ihany koa iny tsy fanaovana ilay Final Four any Saintes Maries de la Mer fa tsy nety ilay safidy nohindraindraina tany Antsirabe iny.Tsy misy fahagagana ny tsipy kanetibe ary jereo ny Frantsay fa tsy manilika ireo zokiolona izany.Mbola sarotra ny mandresy ureo Philipoe roalahy dia i Quintais sy Suchaud.Na i Henri Lacroix aza tena mbola mahavita tsy toyny antsika tsy mila an'i Racle, Toutoune ary Tafita.Dia lasa mikiribiby amin'ny hevi-diso ny FSBM. Ary na haka tanora aza toa nojerena fotsiny ry Tina Kely sy Zigle.Asa aloha fa aorian'iny faharesena mampitsanga-menatra raha hanova famindra ny FSBM.Mety koa anefa ny manova ary manao fifidianana vaovao sy tena izy.
Clément RABARY 

Dans la même rubrique

07-févr-2025

Manomboka tafiditra tsara i Rayan Raveloson ao amin’ny BSC Young Boys

Card image cap
06-févr-2025

Ny alahady teo no niala teto Madagasikara ny mpanazatra vaovaon’ny ekipam-pirenena

Card image cap