tia tanindrazana

Parution du Vendredi, 2 Juin 2023

airtel

Sport

Tsipy kanetibe Nodimandry i Gérard Naturel

Misaona ny tontolon'ny taranja tsipy kanetibe eto Madagasikara. Nodimandry ny sabotsy 4 febroary lasa teo i Gérard Naturel izayy filohan’ny federasiona malagasin’ny Tsipy kanetibe teo aloha.

06-févr-2023

Sample post image

Fahavoazana lehibe no nahazo ity fianakaviana ity satria vao herinandro vitsivitsy izay no maty koa ny zokiny,dia tsy iza fa i Henri Roger izay tompon’andraikitra teo anivon’ny kaompania Air Madagasikara. Very olomanga i Betafo, tany niaviany fa very mpitarika mahay koa ny tsipy kanetibe malagasy . Vao tsy ela akory izay dia nandrombaka ilay fifaninanana nokarakarain' ny filoha Rajoelina izy teo alon'ny sokajy zokiny. Fa n'y tena nanamarika ny zava-bitany fony izy nitondra ny federasiona dia ny naha tompondaka lefitra ny ekipa nentiny tany Izmir, Torkia. Resin'ny Frantsay teo amin'ny famaranana i Dolys, Nanou, Bema ary Tiana Tonnerre. Tena mpitondra mahay raha i Gérard Naturel fa izay angamba no lahatra izay manamarina ny fomba fiteny frantsay hoe ny olatra tsara ihany no hohanina. Mandria am-piadanana Prezida.
Clément RABARY
 

Dans la même rubrique

Card image cap
Tsipy Kanetibe Mafy ireto Betafo ireto
02-juin-2023

Voaporofo ny faran'ny herinandro teo fa tena manana mpilalao kanetibe tena mahay ny ao Betafo.

Card image cap
Basket 3x3 Resin'ny Malagasy ny Frantsay
02-juin-2023

Farany vao tena nisy ventiny ny zava-bitan'ny Ankoay izay nandresy ny Frantsay tamin'ny isa 21 noho 20 omaly nandritra ny fiadiana tompondaka erantany amin'ny Basketball lalaovin'olona 3 any Vienne Autriche.

Card image cap
Roro Rakotondrabe « Izay Malagasy ao amin'ny heriny no horaisiko »
01-juin-2023

Nivoaka ny fahanginany i Roro Rakotondrabe taorian'ny nanendrena azy ho mpanazatran'ny Barea A. Voninahitra an-tsobika izany ka tsy azo atao am-patambary raha ny nambarany.

Card image cap
Basketball - Ankoay Brezila sy Frantsa indray ny anio
01-juin-2023

Miditra amin'ny andro faharoa ny fiadiana ny ho tompondaka eran-tany eo amin'ny basket 3x3 tontosaina any Vienne Autriche. Hihaona amin'ny Brezila indray ry Elly sy ny namany anio amin'ny 7 ora sy 40 mn.

Voir plus