eran-tany amin’ny taranja tsipy kanetibe na « pétanque » natao tao Roma Italie. Norombahan’ny Malagasy ny anaram-boninahitra maha tompondaka eran-tany omaly. Ny ekipa malagasy ahitana An-dRAKOTOARISOA Lova sy RAVOMANANA Fanantenana “Fana” no nahazo ny anaram-boninahitra voalohany tamin’ny sokajy Doublettes Mixtes. Nandresy tamin’ny isa mazava 13-6 izy ireo nanoloana ny ekipa frantsay matanjaka ahitana an’i Dylan Rocher sy Audrey Bandiera. Tamin’ny dingana mankany amin’ny famaranana, dia nanamontsana ny ekipan’i Monaco tamin’ny isa mavesatra 13-0. “Feno hafaliana izahay. Tena nanao ezaka be izahay, ary faly fa nivaly izany,” hoy i Lova taorian’ny lalao. Tamin’ny sokajy Tête-à-Tête, dia niady mafy i Baloty ho an’i Madagasikara, saingy resin’ilay Italianina Diego Rizzi tamin’ny isa 13-8, ka medaly volafotsy no azony. Mbola nanampy medaly alimo roa ihany koa ny ekipam-pirenena tamin’ny « doublette » lehilahy sy « doublette » vehivavy. « Tsy kisendrasendra izany vokatra izany : vokatry ny fampiofanana mafy sy hentitra no nahatratrarana izany. Nanao fanomanana ara-panatanjahantena tany Frantsa ny mpilalaontsika, niatrika ireo sangany amin’ny fifaninanana lehibe. Nandresy tamin’ny lalao maro ry zareo, niditra tao amin’ny famaranana Masters de Pétanque, ary nahazo fandresena lehibe tamin’ny Mondial La Marseillaise, izay nanaporofo ny faharetany sy ny haavon’ny fahaizany », hoy ny Federasionin’ny tsipy kanetiba. Vao ny jolay teo isika no nibata ny La Marseillaise à pétanque 2025 andiany faha-64 tamin’ny alalan’i Tiana Laurens Razanadrakoto (Tonnere), Yves Rakotoarisoa, ary Herifanambinana Lova, izay efa voalaza etsy ambony, fa isika ihany koa no nibata ny National de Mulhouse. Raha hatambara, mahatratra 10 ny fifaninanana nibatantsika amboara tamin’ity « tournée 2025 » ity, raha hatambatra : Mondial la Marseillaise 2025 ( Tonnere, Lova, Yves ), National de la Mont du Lyonnaise ( Tonnere, Lova, Yves ), National de Saint-Bonnet-Le-Château ( Yves, Baloty, Tianakely ) ; National de la Roche sur Yon ( Tianakely, Baloty, Zigle ) ; Masters de Pétanque 2025 ( Tianakely, Baloty, Yves, Zigle ). Saint-Gilles-Croix-De-Vie, Cluses, Nevers (Champion 3 Etapes) ; National De Mulhouse (Yves, Lova, Tianakely ) ; Grand Prix de la Ville de Sens ( Zigle, Tonnerre, Lova ), ary ity vao azo omaly ity. Midika fa mafy isika amin’ny tsipy kanetibe, ary tena mendrika hampiana sy hotohanana ny ekipam-pirenena.
Toky R