Efa fantatra avokoa ireo hifanandrina dia I Leipzig ≠Manchester City; Club Bruges≠Benfica, Liverpool≠Real Madrid, AC Milan≠Tottenham, Francfort ≠Napoli, Dortmund≠Chelsea, Inter de Milan≠Porto, ary ny Psg≠Bayern. Isan’ny lalao tena heverina fa hiady ny an’ny Paris Saint Germain sy ny Bayern de Munich, izay nifandona foana tao anatin’ireo tao anatin’ny roa taona farany, ka ny 2020 dia resin’ny Bayern tamin’ny famaranana ny PSG, raha toa ka nararaky ny PSG teo amin’ny ampahefa-dàlana ny Bayern. Ry Messi, Neymar, Mbappé no hampiantrano ny lalao mandroso ao amin’ny Parc des Princes ny 14 febroary 2023, ary any amin'ny Allianz Arena kosa ny lalao miverina. Isan’ny lalao andrasan’ny rehetra ihany koa ny an’I Liverpool sy Real de Madrid. Ireto ekipa roa ireto no nanao ny famaranana ny 2018 sy ny 2022 farany teo kosa, saingy lavo hatrany ny Anglisy, ka manala vela izany izy hatreto, raha toa ka hiezaka ny hanohy ny fandreseny sy hitazona ny anaram-boninahitra ihany koa ny ekipan-dry Karim Benzema. Heverina fa hiady avokoa ireo lalao rehetra, fa ireo aloha no isan’ny mitana ny sain’ny maro. Ny 14-15, 21-22 febroary 2023 moa ny lalao mandroso, ary ny 7-8, 14-15 martsa 2023 kosa ny lalao miverina ho an’ny 1/8n-dàlana, ny 11-12 sy 18-19 aprily 2023 ny ampahefa-dàlana, ny 9-10 sy 16-17 may 2023 kosa ny manasa-dàlana, ary 10 jona 2023 kosa no hatao any amin’ny kianjan’I Atatürk any Istambul Turquie. Hialohavan’ny fiadiana ny tompondaka eran-tany na Mondial 2022 hatao any Qatar afaka 12 andro moa ny ampahavalon-dalan’ny Ligue des champions, izany hoe: ho fararanon’ny baolina ny kitra ny faran’ny 2022 sy ny fiandohan’ny 2023.
Toky R
Voaporofo ny faran'ny herinandro teo fa tena manana mpilalao kanetibe tena mahay ny ao Betafo.
Farany vao tena nisy ventiny ny zava-bitan'ny Ankoay izay nandresy ny Frantsay tamin'ny isa 21 noho 20 omaly nandritra ny fiadiana tompondaka erantany amin'ny Basketball lalaovin'olona 3 any Vienne Autriche.
Nivoaka ny fahanginany i Roro Rakotondrabe taorian'ny nanendrena azy ho mpanazatran'ny Barea A. Voninahitra an-tsobika izany ka tsy azo atao am-patambary raha ny nambarany.
Miditra amin'ny andro faharoa ny fiadiana ny ho tompondaka eran-tany eo amin'ny basket 3x3 tontosaina any Vienne Autriche. Hihaona amin'ny Brezila indray ry Elly sy ny namany anio amin'ny 7 ora sy 40 mn.