airtel

Sport

27-mars-2024

Vokatry ny werawera tao amin’ny Kianja Barea

Tsy tafaverina amin’ny laoniny intsony ny bozaka

Sample post image

Misy odi-potsy angaha ity kianja ity, hoy ny vazivazin’ny mpankafy baolina kitra ny

27-mars-2024

alatsinainy teo nandritry ny lalao nihaonan’ny Barea na ekipam-pirenena malagasin’ny baolina kitra sy ny ekipan’i Rwanda Tsy tafaverina amin’ny laoniny intsony, raha ny hita hatramin’ny omaly, ny bozaka eo amin’ny Kianja Barea Mahamasina vokatry ny werawera tao amin’ity kianja ity hatrany. Bozaka safiotra na «hybride» nafarana tany Angletera, raha tsiahivina, no nanamboarana ny kianja saingy dia izao izany no niafarany. Lasa feno sokakana tany maina be nampianjerazera ireo mpilalao, indrindra, ireo mpila ravinahitra tsy zatra izany atao hoe kianja ratsy sy tsy manara-penitra izany. Nohamarinin’ny mpanazatra ny Barea, Romuald Rakotondrabe, mihitsy moa izany ny alatsinainy teo. Tsiahivina fa voahitsakitsak’ireo olon-tsotra ny bozaka. Nafotaka ny fitsenana ireo Barea nanao CHAN satria nahazo laharana faha 3 tany amin’ny tompondakan’i Afrika. Ekena fa reharehan’ny firenena tokoa izany saingy fety indray nipika ve izany no nanariana fankatoavana iraisampirenena kianja iraimanontolo

J. Mirija
 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Rahampitso no hanao ny lalao fanokafana ny Lalao Olaimpika 2024 any Paris.

Card image cap
25-juil-2024

Raha rahampitso ny lanonana ofisialy hanokafana ny lalao olaimpika na JO 2024 tanterahana any Paris,

Card image cap
24-juil-2024

Vaovao mahafaly ny fiverenan'i Kendji Van Boto milalao indray taorian'ny ratra nahazo azy.

Card image cap
24-juil-2024

Vaovao tsara ho an'ny basketball malagasy ny fifindran'i Mathias M'Madi

Card image cap