tia tanindrazana

Parution du Vendredi, 2 Juin 2023

airtel

Sport

Volley-ball- Afrika Faritra faha 7 Resy sahady ny Stef' Auto

Ho sarotra ny miandry ny ankizin'ny Stef'Auto amin'ny fiadiana ny tompondakan'ny Faritra faha 7 volleyball. Vao nanomboka mantsy ry Nadjima dia voavely kanota raha nihaona tamin'ny Tampon Gecko.

28-févr-2023

Sample post image

Nanao be fiditra anefa ny ekipan'i Gildas Zafindalana saingy nojanona teo amin'ny seta voalohany ihany (25/22) fa nifoha tamin'ny torimasony ry zareo avy any La Reunion ka nanao tohi-vakana ny seta telo manaraka. Mbola tsy eo am-pelatanana moa ny vokatra omaly nihaonan'ny Stef'Auto aimin'ny Rodrigues fa na izany aza ho sarotra satria hatreto qloha dia tena manatombo ry zareo Maorisianina avy any Quatre Bornes izay tompon'ny amboara farany .Raha momba ny GNVB lehilahy indray dia nandresy tsy miady ny Kaomorianina Nioumachoi.
Clément RABARY

 

Dans la même rubrique

Card image cap
Tsipy Kanetibe Mafy ireto Betafo ireto
02-juin-2023

Voaporofo ny faran'ny herinandro teo fa tena manana mpilalao kanetibe tena mahay ny ao Betafo.

Card image cap
Basket 3x3 Resin'ny Malagasy ny Frantsay
02-juin-2023

Farany vao tena nisy ventiny ny zava-bitan'ny Ankoay izay nandresy ny Frantsay tamin'ny isa 21 noho 20 omaly nandritra ny fiadiana tompondaka erantany amin'ny Basketball lalaovin'olona 3 any Vienne Autriche.

Card image cap
Roro Rakotondrabe « Izay Malagasy ao amin'ny heriny no horaisiko »
01-juin-2023

Nivoaka ny fahanginany i Roro Rakotondrabe taorian'ny nanendrena azy ho mpanazatran'ny Barea A. Voninahitra an-tsobika izany ka tsy azo atao am-patambary raha ny nambarany.

Card image cap
Basketball - Ankoay Brezila sy Frantsa indray ny anio
01-juin-2023

Miditra amin'ny andro faharoa ny fiadiana ny ho tompondaka eran-tany eo amin'ny basket 3x3 tontosaina any Vienne Autriche. Hihaona amin'ny Brezila indray ry Elly sy ny namany anio amin'ny 7 ora sy 40 mn.

Voir plus