airtel

Sport

27-févr-2024

Volley-ball Amboara isan-tarika Faritra faha 7

Tafita amin'ny ampahaefa-dalana ireo ekipa malagasy efatra

Sample post image

Vaovao tsara aloha ny hatreto ho an'ireo ekipa malagasy mandray

27-févr-2024

anjara aminlny fiadiana izay tompondakan'ny Faritra faha fito eo amin'ny Volley. Fantatra mantsy izao fa efa misy efatra ireo hiady ny ampahaefa-dalana eo amin'ny lehilahy dia ny COSFA na ny ASI miampy ny GNVB sy ny CVB Farafangana. Eo amin'ny vehivavy indray dia mbola ny GNVB ihany aloha no tody any amin'ny ampahaefa-dalana fa mbola tsy fantatra ny ASI Itaosy izay nandresy ny VBC de la Côte Ouest seta 3 noho 1. Toy izany koa ny Squad X Club izay nanamontsana ny Zanfi club de Mtsezamboro seta telo. Ny tena nandiso fanantenana dia ny Stef'Auto izay resin'ny St Denis Olympique seta telo. Isan'ny betsaka mpandray anjara ity andiany faha 28 ity soa fa nisy ireo kianja nampiasaina tamin'ny Lalaon'ny Nosy hany ka ankoatra ny Lapan'ny Fanatanjahantena etsy Mahamasina dia misy lalao koa eny Ankorondrano sy eny Ankatso.
Clément RABARY
 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Rahampitso no hanao ny lalao fanokafana ny Lalao Olaimpika 2024 any Paris.

Card image cap
25-juil-2024

Raha rahampitso ny lanonana ofisialy hanokafana ny lalao olaimpika na JO 2024 tanterahana any Paris,

Card image cap
24-juil-2024

Vaovao mahafaly ny fiverenan'i Kendji Van Boto milalao indray taorian'ny ratra nahazo azy.

Card image cap
24-juil-2024

Vaovao tsara ho an'ny basketball malagasy ny fifindran'i Mathias M'Madi

Card image cap