airtel

Sport

04-mars-2024

Volley-ball- Faritra faha-7

Votsi-droa ny Zandary, mila fanavaozana

Sample post image

Mafy ny nahazo ny GNVB nandritra ny famaranana roa nataony

04-mars-2024

ny sabotsy teo tetsy amin'ny Lapan'ny Fanatanjahantena. Lalao izay tafiditra amin'ny fifaninana isan-tarika ao anatin'ny Faritra fahafito eto Afrika. Efa nirehareha anefa i Noré Razafinjatovo mpanazatra ny GNVB fa hanao poa-droa kanjo ny nifanohitra tamin'izay no niseho satria nanjaka tanteraka ry zareo avy atsy La Réunion. Mampanontany tena ihany anefa raha izany satria toa tsy Afrikanina anie ireto La Réunion ireto sa dia tsy maintsy izay ilay izy. Tsara ihany anefa ny fisiany satria afaka handrefesana marina ny volley eto amintsika hoe mbola tena lavitry ny afo ny kitay.
TENA SAHIRANA
Teo amin'ny vehivavy izao na dia efa ireo mandrafitra ny ekipam-pirenena aza no najoron'i Honoré Razafinjatovo dia tena mbola nampijalian'ny Saint Denis Olympique. Nataony tsy nisotro rano ary nanampy trotraka izany ny fahavoazan'i Lalah izay tena herin'ireo GNVB ireto. Nivaha ny fatorana hany ka 25 noho 13 ny seta fahatelo Samy tsy nahavita na i Eugénie na i Hoby saingy soa ihany fa mba nanavotra baolina maro i Nandrianina. Ity farany rahateo no voahosotra ho mpizara baolina mahay indrindra tamin'ity andiany ity.Nazava ny lalan'ny Saint Denis Olympique raha vao nahazo ny seta voalohany 25/16. Ary na dia nihetsika aza ny hambo- po ny Malagasy dia mbola azon'i Lucie Labour, ilay Maorisinina milalao any La Reunion, ny seta faharoa (29/27).
TOKONY MANAVAO MPILALAO
Teo amin'ny lehilahy koa dia nataon'ny Tampon Gecko Volley Club nahita an'i Jakoba ny GNVB.Resy mazava seta 3 noho 0 (25/18 ; 25/19 ; 25/23).Tokony manavao mpilalao amin'izay ny Zandary raha te hiakatra ambonimbony kokoa satria dia vakian'ireto La Réunion fotsiny ny fomba filalaon'i Andry Be izay efa niaraka tamin'ny Maorisinina ary toraka izany koa i Fenozara izay efa tanaty ekipam-pirenena antaonany maro. Ny olona anefa tsy mitsahatra ny manavao ary tamin'ity indray mitoraka ity dia nandrasany tany amin'ny famaranana vao navoakany ireo tena tompon-toerana fa talohan'io ireto La Réunion ireto dia nihanona fotsiny nampilalao...zana-bazaha.
Clément RABARY
 

Dans la même rubrique

15-mai-2024

Very aho 77 tapitrisa Dolara, hoy ireo mpitia baolina kitra malagasy manoloana ity

Card image cap