omaly alina raha nandresy mazava ny Faucon Flacq Camp Ithier avy atsy Maorisy. Tena tsy niady ny baolina fa toa nety daholo izay nataon'ny zandary izay nampiseho endri-panafihana samy hafa hany ka dia lasa nijery fotsiny ny Camp Ithier. Ny marina dia naka lesona betsaka nandritra ny Lalaon'ny Nosy farany teo ny GNVB izay maro mba tsy hitenena hoe izy rehetra no nandrafitra ny ekipam-pirenena. Raha ireny nasehony omaly ireny dia mety ho tody hatramin'ny farany ny zandary. Tapitra teo kosa ny lalan'ny CVB Farafangana iray nomontsanin'ny Saint Denis Olympique tamin'ny seta 3 noho 0. Mahafaly na izany aza ny ezaka avy any ambanivolo satria rehefa betsaka no manao ilay taranja dia hiakatra ho azy ny ahavo teknika.Hatreto aloha da ratsy iny indray mitoraka iny.
Clément RABARY
Isan’ireo nasaina hifaninana nanomboka tamin’ity COSAFA Cup 2025 ity ny