airtel

Sport

17-avril-2023

Sport

Volley-ball - Honoré Razafinjatovo " Miankina amin'ny enti-manana ny vokatra "

Sample post image

Misy dia misy ny fanantenana handrombaka ny medaly volamena mandritra ny Lalaon'ny Nosy, hoy Honoré Razafinjatovo,

17-avril-2023

Tale Teknika Nasionaly ny volley eto Madagasikara. Izay no azo amehezana ny resaka nifanaovanay nandritra ny fiadiana ny amboaran'i Madagasikara tany Antsirabe.

Tia Tanindrazana: Mba afaka manantena medaly volamena ve ho antsika amin'ny Lalaon'ny Nosy sa dia efa manamboatra saina indray hoe mijanona eo amin'ny medaly volafotsy toy ny mahazatra na eo amin'ny lehilahy na eo amin'ny vehivavy ?
Honoré Razafinjatovo: "Raha ny zava-misy izao aloha dia sahiko ny milaza fa mety ahazo fandresena na eo amin'ny lahy na eo amin'ny vavy saingy miankina be dia be amin'ny enti-manana ny fanomanana izany Hatreto aloha dia mbola tsy misy avy any amin'ny ministera fa dia ny federasiona no mianto-bilona "

Tia Tanindrazana: Fa raha misy ny vola dia ho tonga ve ny vokatra ?
H R : " Tena misy satria araky ny efa nolazaiko dia manana ekipa tsara isika amin'ity. Raha eo amin'ny vehivavy izao ba dia resy tamin'ny ankatoky ny famaranana tany amin'ny Amboaran'ny Oseana Indiana aza ny vehivavy avy ao amin'ny GNVB dia tsy tena hoe nisy elanelana lavitra talin'ny Nosy rahavavy Efa nitarika seta roa aza ny Malagasy fa teo amin'ny vovokaina angamba no tsy ampy. Ireo no amboarina kely ampiana ireo tao anaty ekipa nasionaly tao aimin'ny Stef' Auto sy Melissa izay any Seychelles dia mety efa hafahafa Fa ny tena mahavelom-bolo dia ny mahira ireo mandimby efa tena tongatonga raha tsy hiteny afatsy Miahy ao amin'ny BI'AS izay vao 18 taona nefa efa tena mahafehy ny rehetra sady manana vatana tsara. Mbola misy koa tovovavy kely iray vao 15 taona milalao ao amin'ny ekipa voafantina ao La Réunion fa maniry hilalao amin'ny Malagasy saingy mbola miandry izay tolotra avy aty amin'ny fanjakana malagasy izy "

Tia Tanindrazana: Manao ahoana kosa ny eo amin'ny lehilahy ?
H.R : " Toy ny an'ny vehivavy ihany. Mety mahatafatsangana ekipa afaka mandrombaka ny medaly volamena isika fa miankina betsaka amin'ny enti-manana ihany koa izany. Mbola ao daholo mantsy ireo andrarezina teo aloha izay ahitana olona tena mahafehy toa an''i Mamizara ohatra. Misy koa aza mandefa soson-kevitra ny amin'iny tpkony hiantsoana an'i Lala Be izay any La Reinion na dia atao biby fampitahorana fotsiny aza fa hita eo ihany no tokony hatao ao aorian'ny fiadiana izay ho tompondakan'i Madagasikara. Betsaka koa no efa manangasanga ireo tanora mpandimby ka aleo eo isika mahita azy "

Nangonin'i Clément RABARY

 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Hetsika ara-panatanjahantena fanao isan-taona natao hampiray ireo mpisehatra amin’ny

Card image cap
26-avril-2024

Azo lazaina ho mametraka ny traikefany tanteraka amin’izao fotoana ilay irakiraka

Card image cap
25-avril-2024

Fanapahan-kevitra maromaro no noraisina sy nankatoavin'ny ny Filan-kevitry ny Minisitra omaly ho an’ny lafiny fanatanjahantena.

Card image cap
25-avril-2024

Vahiny mangan'ny ligin'ny baolina kitra ny Diana i Arsène Malabary.

Card image cap
25-avril-2024

Banga iray indray ny lomano malagasy. Norimandry omaly ny Kolonely Jaovanona

Card image cap