Tsy niandry ela mantsy fa ny alatsinainy teo dia efa voasolo i Mamy Ranaivoson izay nitantana vonjimaika ity taranja reha voatendry hiasa any ivelany ny filoha. Lany ho filoha vaovao i Lea Manary izay toa an'i Mamy Ranaivoson dia samy mpilalao tao amin'ny ekipam-pirenena fahiny. Raha kapitenin'ny Star i Mamy, Lea kosa dia efa mpanazatra ny ekipam-pirenena vehivavy tamin'ny Lalaon'ny Nosy tatsy Maorisy farany teo. Ny fanontaniana nipetraka dia ny hoe ratsy angaha ny vitan'i Mamy Ranaivoson satria resy teo amin'ny famaranana ny ekipa lahy sy vavy nefa efa samy nitarika seta roa noho aotra ? Asa aloha fa tokony nojerena koa ilay hoe folo andro ange vao niditra fampivondrona fa taloha dia any Toamasina ireo mpilalaon'ny Stef Auto ary eto Antananarivo ny GNVB miampy an'i Miahy Itaosy no manao fanazaran-tena. Raha ny lehilahy indray dia tsy misy afatsy ny Zandary no manao ho anto-draharaha ity volley ity. Ka diso ve izany i Eric mpanazatra raha naka ireo mpilalaon'ny GNVB nampiana an'i Lalabe sy Heritiana zanany ? Mpilalao matihanina koa i Noré Razafinjatovo izay Tale Teknika Nasionaly ka mahafantatra ny tokony ataony. Ary rehefa dinihina dia mety ny vovokaina mihijtsy no tsy ampy. Ary tsy misy hifanomezan-tsiny izany fa ny vary iray kilao aza efa sandaina telo arivo ariary.
Clément RABARY