airtel

Sport

13-avril-2023

Sport

Volley-ball Mahavelom-bolo ny ho avy

Sample post image

Maromaro ihany ireo solofo sy dimby handrafitra ny volley-ball eto Madagasikara. Ankoatra an'Antananarivo izay

13-avril-2023

ahitana ireo sangany toa ny Pôle GNVB sy ny Squad ary ny ASI dia efa manangasanga any koa ny AVB Antsirabe, ny NADJ Toamasina, ny MVBC Fianarantsoa sy ny GSVBC Toliara. Mipoitra ihany koa ry zareo Mahajanga amin'ny alalan'i MVBC sy EVRA. Raha tsorina dia miverina mahazo laka indray ity tatanja ity satria dia izay no sary avoakany mandritra ny fiadiana ny tompondakan'i Madagasikara eo amin'ny sokajy diviziona faharoa sy ny amboaran'i Madagasikara eo amin'ireo sokajy zandriny manomboka ny latsaky ny 14 taona, latsaky ny 16 taona ary indrindra ireo latsaky ny 20 taona izay efa tokony ho zarina hiakatra sehatra handimby ireo lehibe. Ny mampalehelo kely dia toa tsy mahazo sehatra loatra ny volley-ball eto amintsika. Rehefa tsy nahazo ilay kianja mitafo vaovao tao Antsirabe mantsy dia lasa nifindra any amin'iny ENSOA izay misy kianja mitafo iray na dia somary maizimaizina sy kianja ivelany iray. Mazava ho azy fa tsy dia misy mpijery ary na ny mpanao gazety aza dia mbola Tia Tanindrazana irery hatramin'izao. Asa aloha izay amin'ny zoma hanaovana ireo famaranana rehetra fa hatreto aloha dia ny finiavan'ireo ray aman-dreny sy ny Federasiona sisa tsy maha kamboty ity taranja ity Mila manao fahagagana anefa raha mba te handrombaka ny medaly volamena amin'ny Lalaon'ny Nosy ho avy eo<
Clément RABARY
 

Dans la même rubrique

22-avril-2024

Eo amin'ny kihon-dalana ny tantaranny Ladies Makis. Ho fantratra ny 4 ka hatramin'ny 12 may

Card image cap
22-avril-2024

Nanaitra ny maro ny fanambaran'ny Filohan'ny federasiona, Alfred Randriamanampisoa,

Card image cap
22-avril-2024

Ratsy ny vokatra tato ho ato ho an’ny AJ Auxerre misy an’ilay mpilalao Malagasy Rayan Raveloson,

Card image cap
19-avril-2024

Inona no mahazo ny tsipy kanetibe no toa tsy mbola isan'ireo taranja hifaninana amin'ny Lalao Olaimpika

Card image cap
19-avril-2024

Lesona be nomen'ny FIFA ny nanomezany sazy henjana ny mpitsaran'ny lalao nihaonan'ny Barça sy PSG nandritra ny Ligue des Champions.

Card image cap