Ny tena mahafaly dia ny fahavitan'ilay dobo filomanosana mitafo sady mafana. "Raha vita io dia afaka mampiantrano lalao iraisam-pirenena isika, hoy ny Filohan'ny Federasiona Malagasy misahana ny Lomano, ny Jeneraly Gabriel Ramanantsoa. Tena mety raha vita ihany koa ilay trano avo be eo akaiky eo izay azo hipetrahan'ny angidimby ny eo amin'ny tafo toy ireny fahita any New York ireny. Mazava ho azy fa ny fefy manodidina dia ampy hanaovana ny toerana ho an'ny Tananan'ny Lalao. Misy rahateo ireo efitra lehibe maro azo hatao trano fandraisana ireo vahiny, saingy toa tsy tao an'eritreritry ny mpitondra akory izany rehetra izany na koa voafatotr'ilay hoe asa tanan'ny Tale Jeneralin'ny CNaPS teo aloha, Arizaka Rabekoto Raoul izay isan'ny nanenjehana azy. Ankehitriny anefa dia tena manavotra ny Malagasy ny fisian'ity toerana eto Vontovorona ity Ankoatra ny lomano mantsy dia mbola hatao eny an-toerana koa ny handball. Tany amboalohany aza dia tokony ho teny ihany koa no natao ny baolina kitra saingy nihazakazaka ny fanamboaran'i Alfred Andriamanampisoa ny kianja Elgeco Plus. Ny hevitra tera-bary ka angamba raha lasa hotelim-pajankana ny eny Vontovorona dia ho lasa Tanana Olympika mihitsy ny eny. Fa ny olana dia ity fampifangaroana andraikitra ity satria sady minisitra ingahy Haja Resampa no Filohan'ny COJI. Zavatra tsy nisy eran-tany izany, ary tonga lasa resabe ity zavatra nataon'ny Ministeran'ny Fanantanjahantena ity. Tsy hoe ho vitany sa tsia ny fanontaniana fa hoe lasa amin'ny tsy izy ity zavatra ity. Lasa takona ireo ezaka natao hatramin'izao.
Clément RABARY
Tanterahana manomboka anio hatramin’ny alahady 16 martsa izao any Thailande
Nampahafantarina tamin’ny fomba ofisialy moa iny ireo mpilalao miisa 26 voaantso
10 taona aty aoriana, voaantso handrafitra ny ekipam-pirenena malagasin’ny baolina kitra
Nivoaka omaly ny anaran'ireo mpilalao handrafitra n'y Barea hihaona amin'ny Ghana s'y Centrafrique any Maroc