airtel

Sport

23-mars-2023

Sport

Zakanirina Rakotohasimbola na Nina Tsy sahin’i Nicolas Dupuis tsy hajoro

Sample post image

Tsy misy tomika i Nina na Zakanirina Rakotohasimbola, hoy ny mpanazatra ny ekipam-pirenena malagasin’ny baolina kitra na Barea,

23-mars-2023

Nicolas Dupuis, raha ny mikasika ny mpiandry tsatoby ho tompon-toerana manoloana ny fihaonana amin’I Centrafrique amin’ity anio ity etsy amin’ny kianja Barea Mahamasina no asiana resaka. Niaraha-nahita izy tany amin’ny CHAN, hoy I Nicolas Dupuis. Niaraka taminy aho tany Maraoka. Tsy misy amboniny hatreto. Tsara ny asa fanomanan-tena nataon’i Melvin saingy i Nina no hilalao, hoy hatrany ny tenany. Na dia tsikaritra ho misy fitiavana manokana ny kintan’ny CAN 2019, Adrien Melvin, ihany aza, araka izany, eo amin’ity mpanazatra ny ekipam-pirenentsika ity dia mba fara faha ratsiny azo antoka aloha izany fa tsy ho sahin’I Nicolas Dupuis tsy hajoro ny kintan’ny CHAN 2023.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

22-sept-2023

Taorian'ny nanehoany hevitra sy nilazany ny tsy mety raha ny mikasika ny fifidianana izay ho filohan'ny federasiona

Card image cap