nampitaina tamin'ny haino vaky jery
Fanintelony tamin'ny raharaham-pitsaràna neverina ho goavana teo amin'ny tantaran'ny fitsaràna malagasy no nisy fampitàna mivantana amin'ny alàlan'ny haino vakijery toy ity raharaha Ambohimalaza ity, raha tsiahivina ny tantara. Teo ny tamin'ny taona 1976, dia ny raharaha nahafaty ny Kolonely Richard Ratsimandrava, izany hoe famonoana filoham-panjakàna tamin'ny taona 1975. Teo koa ny tamin'ny taona 1982 dia ny raharaha Ramaroson-Andriamaolison, izay mikasika ny fikasàna hanongam-panjakàna kosa ny taona 1981. Aty amin'ny novambra 2026 aty indray izany isika ankehitriny, manaraka ny raharaha Ambohimalaza, izay mikasika ny fanampoizinana ara-tsakafo tamin'ny taona 2025, raha ny angom-baovao voaray hatrany.
Nangonin'i J. Mirija