airtel

Taratasy hoan'i jean

08-mars-2021

Taratasy hoan'i jean

Aza be propa-Vandy e !

Sample post image

Ela be isika izay ry jean no tsy nifandray intsony. Samy sahirana tamin’iny fatina COVID COVID iny daholo koa isika mianakavy.

08-mars-2021

 

 

 

 Ny anay izao ny fianakaviana sy ny namana dia betsaka no voa mafy. Maro koa ireo very asa hatramin’izao. Izaho nefa mino fa salama tsara ianao any sy ny namanao. Ireo minisitrao koa inoako fa salama be ary nahazo bizna bobaka be tamin’ireny ECRAN plat sy bonbon ireny. Fa mba rahoviana tokoa ho aho ry jean ny fitsarana azy ireny ah ? Sa tsy maika noho ny fitsaràna ny zanak’i maitre mpanohitra sy ny fitsarana an’i jean rolly? Sao dia miangatra be loatra ianao ry jean ah. Vao omaly ianao no koboko nandohalika nivavaka be ho an’ny firenena. Saika vaky ny foko nahita ilay akanjo fotsy izay hita fa tsara homana ery. Dia ireny fitafy ivelany ireny foana ve no hanabadoantsika olona ry jean? Nahoana raha tena miditra amin’ny fampihavanana sy fifamelàna marina isika Malagasy e? Ianao anie ry jean no tokony hanomboka an’izany e! Mba kozio ireo tropy zanety akamanao ireo hoe efa tonga minisitra sy tsara toerana ianareo izao hoe. Tsara raha matotra amin’izay fa maika anie mampidina be ny lanjanareo ny fihetsika sy vava tafahoatra ataon-dry zanety reo e!

Raha tena avy ao am-po ireny vavaka ireny ry jean kely dia tokony mba hanoro hevitra anao i mopera jean Pedro hoe tsy ireo fihetsika fampitahorana lava sy ireo fomba taloha intsony  no ahafahana hampandroso firenena ah. Nety ireny nanaovana amboletra nangalana fanjakana, fa tsy mety ireny hampandrosoana. Ireo dahalo sy mpanendaka izao mahazo aina daholo fa sahirana manohitra ny mpanohitra etsy analakely fotsiny ry jean beboty.  Tsy aleo ve ry jean miditra amin’ny tena fampandrosoana amin’izay ah, tsy propa-vandy intsony anie izao fa efa tena izy e! Ianao anie efa tena lany fa tsy kandidà intsony e! Ny tena politika anie ry jean ka ny fomba entina hitondra fandrosoana fa tsy hoe izay fomba hahalaniana na mety na tsia ny atao e! Eny e, aoka izay fa lasa be menomenona be eto aho. izaho koa ary ato efa miha mahia amin’ny tsy fisian’ny asa. Efa lasa 73,7 kilao aho sisa ry jean kely. Loooza! Amen Jean aaaa..

 

Marco

 

Dans la même rubrique