airtel

Taratasy hoan'i jean

26-janv-2024

Efa lehibe indray ve vao miadaladala e

Ahoana ny fandehany ry jean kely a !

Sample post image

Ela izany marina ! Dia tena tsy nanaiky mihitsy ianareo raha

26-janv-2024

tsy nanao amboletra nibodo ilay seza a. Araraotinareo mihitsy ilay fahantran’ny olona sy ny tsy fahatakarany ny ketrika avo lenta ataonareo mianakavy. Ny olona ry jean rehefa miha mahazo taona dia miha matota sy miha hendry, fa ‘ty ianao, arakaraky ny naha lehibe anao no nampitombo ny adalanao. Tena tsy fahita tao anatin’ny 60 taona marina aloha e, laninao amin’ny fihetsiketsehana ny fotoana, fisafidianana mpiara-miasa dia efa eo aloha 1 volana. Manatitra CV e, alaina am-bavany e, ampanaovina test e, dia hoe manarapenitra be ve izany ny ekipanao. Miala tsiny aho, malahelo aho milaza aminao ry jean fa tena TIM ianareo a, ny Teo Ihany no Miverina. Ny olona any an-tanana any anie efa tena tsy miaina intsony fa miady amin’ny fahafatesana ry jean e. Zara raha misy hohanina, ary ny kely ananana robain’ny jiolahy sy ny dahalo indray. Lasibatra hatramin’ny biby fiompy. Aiza ilay hoe fiaranareo hanenjika dahalo ry jean kely aaaa …Aleo izay vita ihany no tenenina fa aza maika hanambaka olona e, sa tena izay mihitsy no tanjonareo. Makamaka ny fon’ny olona, dia rehefa variana sy tsy tafahetsiky ny fahasahiranana eo izy dia maka ny taniny sy ny hareny indray ? Mba menatr’olona ry jean a, ary tsy misy omby vositra ampanarahana izany fa mba mianara ihany eee….
Marco
 

Dans la même rubrique