airtel

Taratasy hoan'i jean

15-nov-2022

Taratasy hoan'i jean

Fampandrosoana eto Madagasikara “Fampandrosoana manavaka na apartheid”

Sample post image

Nambaranareo mpanao gazety fa 13%n’ny fampanantenana natao tao amin’ny IEM, hoy ny minisitry ny asa vaventy teo aloha sady mpanao politika, ny jeneraly Tsaranazy Jean Emile, no tanteraka amin’izao.

15-nov-2022

Amiko, hoy izy, dia ny fampanantenana no nisy nanomboka fa ny vita tsy misy. Nambaran’ny filohan’ny repoblika fa alohan’ny faran’ny taona 2023, izay taonan’ny fifidianana, dia 80 km no lalambe mikodana na “autoroute” Antananarivo-Toamasina no vita. Tsy mampino izany. Raha atao ny kajy tsotsotra dia 80.000 m izany 80 km izany. Raha misy dia misy dia 400 andro no mandra-pahatongan’ny faran’ny taona 2023. Izany hoe 400 andro tsy misy orana, tsy misy fanapahana asa fanamboarana, tsy misy na inona na inona dia miasa isan’andro dia lalana mirefy 200m isan’andro eo no mila vita satria 80.000m zaraina 400 andro. Tsy mitombona anefa izany raha mbola tsy tonga eto hatramin’ny anio na ny fitaovana na ny enti-manana hanamboarana izany. Tsy misy ny antsoina hoe “Carrefour” ny atao hoe “autoroute” fa raha mivoakan’ny “autoroute” ianao, ohatra, ho any Brickaville dia mpanao takalo na “échangeur”. Toy izay koa raha ho any Ambatondrazaka. Ny “échangeur” eto Antananarivo aza tsy mbola hita ny fanombohany. “échangeur” firy izany no atao amin’io “autoroute” io amin’izay 80km izay? Mitohy foana izany ilay fampanantenana fa ny fanatanterahana tsy ho tanteraka velively. Tsy misy lalana manapaka io “autoroute” io miainga eto Antananarivo hatrany Toamasina. Ny dikan’izany dia tsy maintsy asiana “pont” na tetezana eo ambonin’ilay izy na tonelina ao ambaniny mba hahafahan’ilay kaominina miisa 2 mifanolo-bodirindrina hifanerasera. Raha tsy izay, misaraka 2 I Madagasikara. Ny tapany avaratra lasa tsy mifandray amin’ny tapany atsimo fa sarahan’ny “autoroute”. Mino aho fa mbola tsy vita ny tombana na “etude” mikasika an’io ary mbola tsy nankatoavin’ny fanjakana malagasy. Asam-bahoaka ny fanamboaran-dalana eto amintsika ka izay no antony tsy hisian’ny fandoavam-bola amin’ny lalam-pirenena rehetra eto. Ny “autoroute” misy. In-droa mandoa vola izany ny vahoaka malagasy. Ilay 250 tapitrisa Dolara ho fandraisany anjara amin’ny fanaovana ilay “autoroute” eo. 10 Dolara isan’olona izany no tsipaipaika omen’ny malagasy hanaovana an’io raha toa 25 tapitrisa isika. Mandoa vola indray izy avy eo rehefa hampiasa “autoroute”. Izany no atao hoe “double peine”. Te hisarika ny sain’ny malagasy aho hoe misy fampandrosoana 2 eto amintsika. Misy ny natao ho an’olom-bitsy mitsetsitra ny malagasy dia ireo izay mahitahita manangana teleferika tsy zakan’ny malagasy rehetra, ohatra. Ny gasy tsongoim-bola na vahiny ihany no mahazaka azy. Tsy ny malagasy rehetra koa no afaka andoa vola amin’ny “autoroute” fa ireo olom-bitsy mpitsetsitra ny malagasy sisa no afaka mampiasa azy io. Izay no antsoina hoe “développement séparé” na “apartheid”. “Apartheid” na fampandrosoana manavaka no misy eto amintsika, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique