airtel

Toekarena

15-déc-2022

Toekarena

4 tapitrisa dolara ny fatiantoka Hisy fahatapahana ny famatsian’ny QMM ny Jirama

Sample post image

Miditra amin’ny tsy azo hanoharana tsy azo anoharana eo amin’ny mpamatsy mpiara-miombon’antoka aminy (fournisseurs) sy ny Jirama ny orinasa Rio Tinto QMM ao Taolagnaro,

15-déc-2022

raha ny fampitam-baovaony omaly maraina. Nohazavainy fa 14 andro maninjitra izay no tapaka tanteraka ny lalana mihazo an’i Mandena, ary nirongatra ny halatra, ny fanimbana sy ny fisomparana ny toeram-pitrandrahana, nahazo fandrahonana mivantana ny mpiasa. Ho fiantohana ny fakanain’ireo mpiara-misa voahidy eny an-toerana, dia tsy maintsy hisy ny fanapahana ny herin’aratra izay manomboka amin’ny 12ora atoandro hatramin’ny 8ora alina androany 14 desambra 2022, mandritra ny fe-potoana tsy voafaritra ho an’ny renivohiparitr’i Taolagnaro sy ireo foto-drafitr’asan’ny QMM rehetra, mandram-pilamina ny toe-draharaha, hoy ny fampitam-baovaon’izy ireo omaly. Ho fitsinjovana ny be sy ny maro sy ho fiatrehana ireo fotoana fahatapahan-jiro ireo, mba hahafahan’ny sampan-draharahan’ny fahasalaman’i Fort-Dauphin manohy ny asany, nanome herinaratra ho an’ny CSB2 Ampasikabo ary namatsy solika ho an’ny herinaratra ao amin’ny CRHH Philibert Tsiranana Amboanato, hoy ity orinasa ity. Naneho ny Rio Tinto QMM fa mba hanenàna ny tahan’ny tsy fandriam-pahalemana fa indrindra ny amin’ny alina , dia ireo ora ireo no nosafidiana mba hanapahana ny herin’aratra, mba ho fitsinjovana sy fiarovana ny mponina sy ireo orin’asa manodidina. Efa tany amin’ny volana aprily no nisy ny fitakiana, ary io mifoha io indray. Voalaza anefa fa mahatratra hatrany amin’ny 4 tapitrisa dolara ny fatiantoka nateraky ny fampiatoana ny asa nanomboa ny 01 desambra teo noho ny sakana misy, araka ny notaterin’ny fampahalalam-baovao omaly. Sambany tao anatin’ny 13 taona nanomboka ny 2009 izay fotoana tena nanombohany namokatra no tsy afaka namaly sy tsy nahafeno ny kaomandin’ny mpanjifany ity orinasa mpitrandraka fasimainty ity, izay miteraka tsy fitokisana ho an’ny orinasa sy ho an’I Madagasikara, ankoatra ny fantiantoka ara-bola. Manana anjara toerana lehibe amin’ny toekaren’ny faritra iray, toy ny famoronan’asa, ny fampidiran-ketra sy tamberin’ny samihafa, famelomana orinasa mpiara-miombon’antoka, ny tantsaha mpamokatra izay mamatsy azy,… ny orinasa goavana tahaka itony. Miteraka sary ratsy amin’ny resaka fahatokisan’ny mpampiasa vola ny karazana hetraketraka tahaka itony, ka mila alamina haingana satria hanaratsy hatrany ny sarin’I Madagasikara kanefa ny Fanjakana etsy andaniny midradradradra amin’ny vahiny hampiasa vola aty Madagasikara. Tsiahivina fa natao savahao ny QMM tamin’ny tetezamita, nolazaina fa nanafina ny basin’I Marc Ravalomanana, vao tonga teo ny Fitondrana Rajoelina dia nilaza fa hampanao fitsirihana noho ny petra-bolan’ny Fanjakana 20%,… Sanatria ve mbola tarazon’ny raharaha efa tany aloha izany izao ?
Toky R
 

Dans la même rubrique

18-avril-2024

1400 miliara Ariary eo, ankoatran’izay efa nampidirina anaty kitapom-bolam-panjakana, ny hetra tsy tafiditra,

Card image cap
18-avril-2024

Niresaka tamin’ny sehatra tsy miankina foana ny fitantanana ankapoben’ny hetra na DGI,

Card image cap