airtel

Toekarena

09-juin-2022

Toekarena

475 miliara Ar tsy very tamin’ny Jirama Mafia very fihinana no migafy, hoy ny Minisitra

Sample post image

Eo anatrehan’ny olana amin’ny famatsiana herinaratra izay antony iray mampahery vaika ny delestazy, niaiky ny minisitry ny angovo sy ny akoran’afo Andry Ramaroson omaly teo anatrehan’ny solombavambahoaka fa tena misY

09-juin-2022

fahatarana ny famatsiana solika. Nambarany fa misy tambajotra tsy faly amin’ny fanadiovana ataon’ny Fanjakana ao amin’ny Jirama ka migafy. “Nanao fanavaozana momba ny fifanarahana amin’ireo mpamatsy solika sy angovo. Nanao ekonomia, tsy nanary vola 475 miliara Ar ny Jirama amin’izao fotoana izao. Tsy faly ka manao izay azony atao ireo very fihinanana. Tsy faly satria tsy voaloa ara-dalàna ny faktiorany. Mametraka ny Fanjakana tarihin’ny Filoha Rajoelina fa tsy izay faktiora rehetra tonga eo ambony latabatra dia tsy maintsy aloa, izahay mahita fa misy “surconsonsommation”, ary tsy maintsy manao “audit” ny fandanian-tsolika ao amin’ny JIRAMA ny Minisitera izay tantanako fa tsy hoe izay faktiora tonga dia tsy maintsy haloa”, hoy ity minisitra ity. Nambarany fa raha 230g ny 1kwh amin’ny fandaniana solika dia mbola 270g izany izay midika fa mbola misy vola atsipy eny ambaravaran-kely. Efa mandeha fanadihadiana ara-pitsarana ankehitriny ny raharaha faktiora 64000litatra gazoala very tany ho any, tsy hita ny nalehany kanefa nisy faktiora sy “bon de livraison” ara-dalàna tsara, misy “bon de reception” hita any ambadimbadika any, fa ilay solika kosa tsy hita ny nalehany, hoy ity minisitra ity. Mitaraina ianareo hoe tsy tonga araka ny tokony ho izy any amin’ny toerana tokony halehany ny solika, tena marina izany, ifonako aminareo, fa izaho kosa miteny hoe: tsy maintsy diovina aloha ny ratra, diovina aloha ny zavatra maloto, ary tena efa maloto ny ao. Ifonako aminareo raha tsy vitako ao anatin’ny telo volana, tsy vitako ao anatin’ny 3 volana fa ngeza be ilay hadirin’ilay zavatra. Nangataka fotoana mba hahafahany manadio izany ity minisitra ity, ary naneho fa amina miliara ny vola very.
EFA HO LAVA…
Na izany aza, tsy vao izao io Minisitra io no nitondra fanazana mitovitovy amin’izany, efa am-bolana maro no niresahana ny fifanamboarana kaonty sy fanadioavana fa hatramin’izao tsy mety vita. Tsy maintsy miandry an’izany ho vita ve vao afaka hilamina tsy hijaly amin’ny delestazy ny vahoaka? Ny mpanjifa hatrany no atao sorana? Toa malemy ihany ny Fanjakana fa tsy afaka mametraka ny tanjaka maha Fanjakana azy matoa mitarazoka lava izao, ary mahita ala olana hambara foana. Rahoviana ihany vao tena hivaha ny olana e?
Toky R

 

Dans la même rubrique

18-avril-2024

1400 miliara Ariary eo, ankoatran’izay efa nampidirina anaty kitapom-bolam-panjakana, ny hetra tsy tafiditra,

Card image cap
18-avril-2024

Niresaka tamin’ny sehatra tsy miankina foana ny fitantanana ankapoben’ny hetra na DGI,

Card image cap