airtel

Toekarena

15-sept-2022

Toekarena

494 tapitrisa dolara amin’ny anaran’olon-tsotra Ho ferena ny afaka manana kaontim-bola vahiny

Sample post image

Maherin’ny 494 tapitrisa dolara ny vola vahiny amin’ny anaran’olon-tsotra sy orinasa matory fotsiny any amin’ny banky,

15-sept-2022

izay isan’ny mampitotongana ny sandan’ny vola ariary, araka ny fanazavana nentin’ny Minisiteran’ny toekarena sy ny vola sy ny Governoran’ny Banky Foiben’I Madagasikara. Io no antony nanaovana fanitsiana ny lalàna mikasika ny fahafahana manana kaontim-bola vahiny, ka ny mpanondrana entana, ireo tsy monina eto, orinasa afakaba, masoivoho vahiny,… sy ireo voamarina fa tsy maintsy mila izany, no afaka manana kaonty amin’ny vola vahiny, raha ny fanazavan’ny Minisitry ny toekarena sy ny vola Rtoa Rindra Hasimbelo Rabarinirinarison. “Raha ny tarehimarika misy momba ny sandam-bola, ny 8 volana voalohany, nihena 3,7% ny Ariary raha oharina amin’ny dolara, izay kely izany satria ny firenen-kafa manodidina aza hatrany amin’ny 15%. Nisy fiakarany 8,6% kosa ny Ariary mitaha amin’ny euros. Ny fisian’ny lalàna amin’ny fahafahan’ny olon-tsotra mitahiry vola vahiny any amin’ny banky no ahafahana mifehy ny fitotonganan’ny Ariary”, hoy kosa ny Governoran’ny Banky Foibe Atoa Henri Rabarijohn, izay naneho fa azo lazaina ho tsy nitotongana ny sandam-bola. Nambara fa hitady loharanona vola vahiny isika hapetraka ao amin’ny tsenan’ny fifanakalozana vola vahiny na MID ahazoana mitazona na mampiakatra ny sandan’ny Ariary. Isan’ny tsy hita hatramin’izay ny tamberiny amin’ny fanondranana volamena, zara raha misy miverina. Anisan’ny fomba iray ahafahana manamafy orina ny Ariary ny sehatry ny volamena io, ahafahana mampiditra vola vahiny hatrany amin’ny 600 tapitrisa dolara ny fanondranana volamena 10 taonina, hoy hatrany ny fanazavana. Tsara moa no mampahatsiahy,fa efa nisy ny fameran’ny Fanjakana ho 10 000euros ny vola vahiny azon’ny mpandeha iray hoentina mivoaka an’I Madagasikara
Toky R
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

miainga any amin’ny fanisana na «comptabilité» ny fanatsarana ny fampidiran-ketra,

Card image cap