airtel

Toekarena

09-août-2022

Toekarena

Adin’ny Fanjakana sy ny Kaompanian-tsolika Tena miantraika any amin’ny famatsiana sy fitsinjarana…

Sample post image

Tena misy tsy fahampiana ara-pamatsiana solika eto Madagasikara na eo aza ny fampandriana adrisa ka asa indray izay hiseho aorian’ny ambara fa fahatongavan’ny sambo nolazaina fa anio 09 agositra 2022?

09-août-2022

Hatramin’ny omaly, mbola nifampitadiavana izany tamin’ny toerana sasany. Mbola nisy ireo toby tsy nahitana solika ho an’ny omaly, izay manodidina ny 20 izany. Isan’izany ny tetsy Ankorondrano izay nilaharana be. Na tsy misy mihitsy, na misy fa adin’ny iray na adin’ny roa dia lany. Na mampandry adrisa aza ny Fanjakana, miharihary fa misy ny olona, ary tsy adala sy kaondrana ny olona handeha hitady sy hilahatra any amin’izay misy raha toa ka ahitana ny tobin-tsolika rehetra. Efa andro maromaro isika no nitatitra sy nametra-panontaniana fa midrikina tsy mety mitatitra solika ny fiarabe tao Toamasina, ary ahiana ny mety tsy hisian’ny solika 7 ka hatramin’ny 10 andro. Karazan’ny manamarina izany ny fanehoan-kevitry ny mpamakafaka sady mpanao fanairana amin’ny tambajotran-serasera Mahery Lanto Manandafy tao amin’ny onja-peon’ny Top Radio omaly maraina, fa “toa tsy mety mitatitra solika ny fiarabe tao Toamasina, ka nalefa sambo nihodina tany Mahajanga, ary tany no notaterina nakaty? Tsy mety miresaka an’izany ny Fanjakana, sady tsy mandiso no tsy manamarina, fa ny filazana fa ampy ny tahiry, ireo mpaninjara solika no nolazaina fa tara.
MANENJANA IREO KAOMPANIA?
Ny 31 desambra 2021, voalaza fa 476 miliara Ar ny trosan’ny mpamatsy solika tamin’ny Fanjakana, raha ny fanehoan-kevitr’I Mahery Lanto Manandafy hatrany. Tsiahivina kosa, fa nisy ny fifampitoriana teo amin’ny Fanjakana sy ny Jovenna, tsy nety nanome solika ny Jirama sy tsy nanaiky “requisition” io orinasan-tsolika io. Ny Praiminisitra mihitsy no isan’ny niditra an-tsehatra tamin’izany fotoana, fa zavatra iainkinan’ny aim-bahoaka ny resaka solika. Mifanjinja satria ny ankilany nilaza fa 1068 miliara Ar ny trosa ary, ny Fanjakana miteny fa 550 miliara Ar ihany. Efa nisy resaka nandeha fa hiala eto Madagasikara ny Galana, saingy tsy tonga tamin’izany indray. “Ny 15 janoary hatramin’ny may teo ny Fanjakana nanao fanagiazana solika izany hoe nalainy fotsiny, ary amin’izao manao fanagiazana ihany koa ny menaka mavesatra natokana ho an’ny indostria, ka ny dikan’izany hovonoina ihany koa ny Indostria. Najanona kely iny, nasaina nitady vahaolana ny Jirama, saingy tsy ampy ny vola, niverina nanao fanagiazana indray ny jolay”, hoy ny fanehoan-kevitra. Voalaza fa tany amin’ny taona 2010 Atoa Andry Rajoelina no nilaza fa tsy maintsy tazonina ny vidin-tsolika sao mitroatra ny vahoaka, ary lasa fomba fanao ny “subvention”, ka ny 2017 efa teo amin’ny faha-5 amin’ny tetibolam-panjakana ary amin’izao efa tsy fantatratra intsony, fa efa manao terisetra, maka zavatr’olona kanefa tsy aloa ny vola. Heverina fa isan’ny antony mampikorontana ny famatsiana solika izany toe-javatra rehetra izany satria mety manenjana ireo orinasan-tsolika. Mety paikady hanaovana tsindry amin’ny mety ho fampiakarana ny vidin-tsolika ihany koa.
Toky R

Dans la même rubrique

25-avril-2024

miainga any amin’ny fanisana na «comptabilité» ny fanatsarana ny fampidiran-ketra,

Card image cap