airtel

Toekarena

14-avril-2021

Toekarena

Afrika-Fandalinan’ny FMI “Ho tafavoaka ny firenena mihazakazaka amin’ny vaksiny”

Sample post image

Ho tafaverina amin’ny talohan’ny valanaretina ny harin-karena faobe ho an’ireo firenena any Moyent-Orient sy Afrika Avaratra

14-avril-2021

 

 

 

 izay miezaka manao vaksiny ny vahoaka ao aminy, raha ny fanambaran’ny Tahirim-bola iraisam-pirenena (FMI) ny faran’ny herinandro teo, tao anatin’ny tombana momba ny fiakaran’ny toekarena amin’ny faritra ho an’ny 2021. Manodidina ny 3,5% ny fitotonganan’ny toekarena tamin’ireo firenena ireo ny taona 2020 noho ny fitotonganan’ny vidin-tsolika nateraky ny fepetra ara-pahasalamana. Vaovao tsara ho an’ny firenena arabo toa an’i Iran io, ka ho tafiakatra 4% ny fiakaran’ny harin-karena faobe ao aminy amin’ity taona ity, hoy ny FMI. Notsindriana kokoa, fa ny fiakaran’ny toekarena any amin’ny Firenena any amin’ny Golf izay manan-karena solika, ka manao vaksiny ny mponina ao aminy, dia hiakatra 2,5% amin’ity taona ity, ary hiverina ho marin-toerana mialohan’ny 2022 ny toekareny. Tsy maintsy miandry kosa ireo firenena izay tratry ny tsy fahampiana (pénuries) ny vaksiny ao aminy. Ireo firenena amin’ny Faritra Moyen-Orient sy Afrika Avaratra (MENA) izay tratry ny tsy fahampiana vaksiny, ireo tara ny fanapariahana azy, misy fifanolanana politika sy fahasarotana ara-toekarena, dia tsy maintsy miandry 2022 na 2023 vao ho afaka anaty rano, hoy ny FMI. Isan’ireo firenena tena sarotra avotana noho ny krizy ara-toekarena sy sosialy ary politika i Liban, ka tsy ho afaka ao anaty kizo amin’ity taona ity, hoy ny FMI. Notsipihin’ny Talen’ny FMI ho an’ny Departemanta Moyen-Orient sy Asia afovoany Jihad Azou, fa sarotra ho azy ireo ny hiditra an-tsehatra noho ny tsy tena fisian’ny governemanta.

HO SAHIRANA I MADAGASIKARA…

Mazava ho azy, fa raha ampifandraisina amin’i Madagasikara izany ity fandalinana ity, dia isan’ireo sarotra ny hahatafavoaka antsika. Ny tomban’ny Banky Iraisam-pirenena ny 16 desambra 2020 momba an’i Madagasikara, dia 2% ny fiakaran’ny harin-karena, raha toa ka tsy miverina ny coronavirus, kanefa 4,5% ny an’ny Fanjakana. Matoa ny FMI ihany koa miresaka vaksiny, dia mirona betsaka amin’izany, ary efa lasa fenitra iraisam-pirenena rahateo io. Hatreto, mbola resaka ambony latabatra ny fampidiran’i Madagasikara vaksiny. Tsy misy tetiandro mazava momba izany, ary naman’ny anjorom-bala noho ny fihetsiky ny Fanjakana.

Toky R

Dans la même rubrique