airtel

Toekarena

15-juil-2021

Toekarena

Ahiahy amin’ny fitantanam-bola Sasatry ny mandamin-dresaka ny Fanjakana

Sample post image

“Ny Ministeran'ny Toe-karena sy ny Fitantanam-bola dia mampahafantatra fa hatramin'ny taona 2019 dia hentitra sy tsy an-kiato ny firosoana amin'ny fanatsarana ny fitantanana ny fampiasam-bolam-panjakana.

15-juil-2021

 Nohamafisina ireo fomba fiasa hialàna amin'ny gaboraraka sy fandaniam-poana izay niteraka fanodikodinam-bola teo aloha. Najaina hatrany koa ireo fitsipika mifehy ny fampiasam-bolam-panjakana, marihina manokana amin'izany ireo fandaniana mahakasika ny ady atao amin'ny Covid-19”, hoy ny fanambarana ofisialin’ny Ministeran'ny Toe-karena sy ny Fitantanam- bola omaly 14 jolay 2021. Hentitra io Ministera io nilaza fa mitsipaka tanteraka ny fanapariahana amin'ny Facebook vaovao atao hampisavorovoro ny saim-baboaka. Ny Minisiteran'ny Toe-karena sy ny Fitantanam-bola dia hanohy ary hanatsara hatrany ny fampahafantarana amin'ny besinimaro ireo fampiasam-bolam-panjakana amin'ny alalan'ny tranokalam-pifandraisan'ny ministera, ary marihina fa ny governemanta ankehitriny no nahavita izany ezaka amin'ny fangaraharan'ny fampiasanm-bolam-panjakána izany, hoy hatrany io fanambarana io. Mbola tsy ampy herinandro ny nilazan’ny Primatiora fa tsisy volabe voahodinkodina tao amin’izy ireo, dia ity koa misy resaka hafa mitovitovy amin’izany.
1 HATRAMIN’NY 7 MILIARA ISAM-BOLANA
Isan’ny niteraka resabe niely moa ny hoe namoaka vola 70 miliara Ar homena ny kaompanian-tsolika anankiray, saingy milaza ho tsy namoka izany ny eo anivon’ny tahirimbolam-panjakana. Tsiahivina kosa, fa raha ny nambaran’ny Praiminisitra ny volana mey-jona 2020 dia ananan’ny kaompanian-tsolika manodidina 100 miliara Ar ny Fanjakana, ka tsy afahana mampidinina ny vidin-tsolika na nidina aza ny teo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Misy ihany koa ny fampahalalam-baovao milaza fa 1 miliara ariary hatramin'ny 7 miliara ariary isam-bolana ny vola mivoaka ao amin'ny kitapom-bolam-panjakana handoavana ny vidin'ny solika ho an'ny fiaram-panjakana sy handoavana ny solika ampiasain'ny orinasa JIRAMA. Maneho fa ao anatin’ny fitantanana mangarahara ny Fanjakana Rajoelina, saingy maro ny zavatra mifamahofaho sy toa miendrika tsy fangaraharana. Amin’ity fanambarana ity, ohatra, dia isan’ny nambara fa madio ny fitantanana ny famatsiam-bolan’ny coronavirus. Ohatra iray mivaingana maneho zavatra tsy mifanjohy anefa ny nilazan’ny Filoha Rajoelina fa isan’ny nampiasana ny vola ny fividianana ireo fiara tsy mataho-dàlana nampiasaina tamin’ny covid-19, raha toa ka nilaza ny Minisitry ny serasera Rtoa Lalatiana Andiatongarivo fa fiara nampindramin’ireo orinasa mpanafatra fiara ireny. Izany ve no atao hoe Fanjakana tsara tantana? Marihina fa raha ny lalàna, dia tsy maintsy mahazo fankatoavana avy amin’ny Filoha ny famoaham-bola mihoatra ny 200 tapitrisa Ar ka tsy midika ve izany fa nandalo teo ambany masony ny fanapahan-kevitra matoa izy miteny fa novidiana ?
Toky R
 

Dans la même rubrique

26-mars-2024

Tafapetraka tamim-pomba ofisialy ny faran’ny herinandro teo tany amin'ny distrikan'Ambatoboeny ny milina mpanodina ny voamaina ho lasa lafarina.

Card image cap