airtel

Toekarena

02-juin-2023

Toekarena

Ala nenina farany ilay BTS Mety hamidy ny Jirama raha tsy tafavoaka…

Sample post image

Tsy vaovao intsony fa efa fiainana andavanandro ny fahatapahan-jiro lava eto Madagasikara. Olana mandavan-taona, ary zavatra maro no potika noho ny delestazy fa isan’ny vokany miharihary ny fahapotehana ara-toekarena

02-juin-2023

satria mihena ny famokarana. Raha orinasa tokony hiodina 8 ora, lasa 4ora sisa, izay midika fa mihena ny vola miditra, potika ireo asa fihariana madinika mila herinaratra. Na eo aza ny endrika fahatezerana samihafa, tena henjana ny fandeferan’ny Malagasy amin’ity delestazy lava ity amin’ny ankapobeny. Potika ny fihariana noho ny delestazy fa lefitra ihany, ny delestazy mitombo fa ny faktiora miakatra fa lefitra ihany, mandry an-driran’antsy noho ny tsy fandriampahalemana fa lefitra ihany, mikatso sy mikoroso fahana ny asam-panjakana fa lefitra ihany,… Azo antoka 100% fa mbola maro ny hanao fitaovana politika hakana fom-bahoaka amin’ny propagandy amin’ny filazana fa hamaha io delestazy io. Nipoapoaka ny fampanantenana 400MW tamin’ny propagandy 2018, ary mbola mitohy mandrak’androany. Notondrahana vola be ny Jirama izay sady mahazo « subvention » na tohana ara-bola manodidina ny 1000 miliara Ar isan-taona, mbola hanatosahana vola tsy toko tsy forohana hafa raha tsy ny nilazana fa 1000Ar ny volam-panjakana avy amin’ny Minisitera maro, 441 miliara Ar no nampindramina ny Jirama tao anatin’ny 3 volana voalohan’ny 2023,… Tamin’ny filankevitry ny minisitra ny 24 mey teo, nolazaina fa hanangana sampan-draharaha hitaky trosa 200 miliara teo anelanelan’ny 2018-2023. Afak’omaly indray, nolazaina fa hampindram-bola ny Jirama ny Fanjakana handoavana ny trosa be ananan’ny Tozzi Green, izay tsy nolazaina mivantana fa raha ny sora-bola nivoaka tamin’ny fitakian-trosa ny fiandohan’ny volana may teo dia 250 miliara Ar. Ny Fanjakana milaza hampindram-bola ny Jirama, kanefa voalaza fa mahatratra 305 miliara Ar ihany koa ny trosabe saran’ny jiro sy rano tokony haloa amin’ny Jirama. Ny mpamatsy vola tsy mametra na efa mandrara ny “subvention” sy ny “requisition” amin’ny solika,… Mbola ho henjana ny raharaha, ary sarotsarotra ny fanarenana, ary mety efa mandeha ny politika avo lenta fandrendrehana mba hividianana azy mora, satria rehefa tsy tafavoaka amin’ny tohana ara-bola sy ny findramam-bola handoavana trosa dia tsy maintsy mitady mpiara-miasa matanjaka ara-bola hametraka ny paikadim-panarenana sy hitantana izany.

ALA NENINA FARANY
“Ilay BTS (Bons de Trésor Spéciaux) dia zanabola 5 ka hatramin’ny 7% no alaina amin’ny jirama io no ala-nenina farany. Tsy maintsy miova tanteraka ny fomba fiasa, ny fitantanana raha tsy tafavoaka sy tsy tafarina amin’io dia amidy ny orinasa. Ny fanjakana tsy afaka ny hanao « subvention » intsony satria bedin’ny FMI ka manjary misy akony ratsy any amin’ny fiaraha-miasa sy ny tohana ara-bola hafa. Vola ampindramina handoavana trosa ity atao amin’ny alalan’ny BTS ity. Mila paikady sy politika mazava ny fanarenana ny jirama fa tsy resaka vahaolana “tip top” fotsiny. Mbola misy ny fampidirana jiro, ny vokatra herinaratra anefa tsy ampy, mila paikady vaovao. Ny resaka rano koa , io Mandroseza io efa tsy ampy ny fitombon’ny mponina intsony, ka inona ary no atao. Tsy hoe azo ny vola amin’ny alalan’ny ilay “Bons de Trésor Spéciaux” dia milamina ny resaka. Tsia , izao vao tena asa be ary mila asa matotra”, hoy ny fanehoan-kevitry ny mpahay toekarena Hugues Rajohnson tamin’ny haino aman-jery omaly.
Toky R
 

Dans la même rubrique

28-mars-2024

Nahazo ny anjarany tamin’ny milina ODOF ihany koa ny Kaominina Ambohimangakely,

Card image cap