tia tanindrazana

Parution du Vendredi, 26 Mai 2023

airtel

Toekarena

Ambasadaoro Japone Mila fifidianana madio, mila fitoniana ny mpampiasa vola,...

Tao anatin’ny fanamarihana ny fetim-pirenena Japone izay faha-63 taonan’ny Amperoran’i Japon omaly teny Ivandry, naneho ny fahavonany hatrany hiara-hiasa amin’i Madagasikara ry zareo Japone.

03-mars-2023

Sample post image

Fotoana ihany koa io nanaovan’ny Ambasadaoro Japone tombana mikasika ny fifandraisana ara-diplaomatika eo amin’i Japon sy Madagasikara izay efa 60 taona. Niara-niasa tamin’ny sehatra maro toy ny lafiny fambolena, fotodrafitrasa, fahasalamana, fanabeazana,… Nifampita traikefa ihany koa. Ara-politika, misy lanjany lehibe amin’ny fampandrosoana an’i Madagasikara ny fifidianana Filoham-pirenena amin’ity taona ity, hoy ny fanamarihany. « Manantena izahay fa mba handeha ao anatin’ny fitoniana sy fahalalahana, ary mba hangarahara sy tsy mitanila ny fifidianana”, hoy hatrany io Ambasadaoro Japone io. Nambarany fa fotoana ihany koa izao tokony hiverenana mijery sy mandinika lalina hoe : nahoana no tsy mety mandroso i Madagasikara, ka naneho ity Ambasadaoro ity fa vonona i Japon hanolotra sy hifanampy amin’ny drafi-pampandrosoana tena azo tanterahhina sy tena mijery ireo sehatra tena tokony ho laharam-pahamehana. Nanipika moa ny Ambasadaoro Abe Koji fa raha te ho tafavoaka amin’ny fampandrosoana i Madagasikara dia, mila mametraka sy mampandroso ny tontolo ara-pandraharahana tony sy maharitra ho an’ny mpampiasa vola avy any ivelany. Nohamafisiny, fa manana andraikitra mafonja amin’ny fameranana ny fahamarinan-toeran’ny tontolo ara-pampiasam-bola na « climat d’investissement favorable » ho an’ireo mpampiasa vola ny firenentsika. Tena ilaina, hoy izy, ny fametrahana dina sy fifanarahana vaovao mikasika ny fampiroboroboana sy fiarovana ny fampiasam-bola. Iray amin’ireo fampiasam-bola Japone noresahany sy noraisiny ho ohatra moa ny nidiran’izy ireo amin’ny tetikasa Ambatovy izay ny Vondron’orinasa matanjaka Japone Sumitomo no manana ny petra-bola eetsaka indrindra ao, ary io ihany koa no isan’ny tetikasa misy fampiasam-bola goavana indrindra eto Madagasikara. Nambarany fa misy akony lehibe amin’ny toekarena Malagasy amin’ny sehatry ny famoronan’asa sy tamberiny lehibe amin’ny Fanjakana i Ambatovy. Momba ny fiaraha-miasa hatrany, naneho ihany koa ny fanamafisana ny fiaraha-miasa ka samy fahazoana tombony maharitra ity diplaomaty ity. Nambarany mantsy, fa maro ireo orinasa Japone nanana birao sy niasa teto Madagasikara teo aloha, saingy voatery nangoron’entana noho ny antony samihafa. Io no heverina fa isan’ny nahatonga ity diplaomaty ity naneho sy nilaza mivantana fa mila fanatsarana ny tontolo ara-pampiasam-bola eto Madagasikara mba hisian’ny antoka sy fitoniana ho an’ireo mpandraharaha miankina na tsy miankina avy any ivelany maniry ny hampiasa vola eto.
Toky R
 

Dans la même rubrique

Card image cap
Madagasikara-Vondrona Eoropeanina Stratejika be ny dinika politika faha-11
26-mai-2023

Hotanterahina eny amin’ny Minisiteran’ny raharaham-bahiny Anosy ny 20 jona ho avy izao ny fifampiresahana politika na « Dialogue politique » faha-11 eo amin’i Madagasikara sy ny Vondrona Eoropeanina.

Card image cap
Fanondranana harena an-kibon’ny tany
26-mai-2023

Nampidi-bola 5400 miliara Ar ho an’ny 2022

Card image cap
Lalàna momba ny famatsiam-bola Ohatra tsara azo alain-tahaka ireo firenena miteny Anglisy
26-mai-2023

Tamin’ireo toerana rehetra nalehako, raha tsy diso aho, hoy ny mpandraharaha ara-bola, Arizaka Rakoto,

Card image cap
Fiarovana ny sehatry ny fandraharahana ara-bola
26-mai-2023

Andraikitra iaraha-manana, hoy i Arizaka Rakoto

Card image cap
Siteny Randrianasoloniaiko «Ity no fitondrana tena namotika ny lavanila…»
26-mai-2023

Nanantena isika mba ho 3 tapitrisa Ariary no vidin’ny lavanila, hoy ny depiote Siteny Randrianasoloniaiko tany Ampanefena – Vohemar, ao anatin’ny faritra SAVA omaly. Amin’izao fotoana izao, hoy izy, ohatrinona?

Card image cap
Fampiroboroboana ny indostria Hamoaka tondrozotra ny Fanjakana sy ny tsy miankina
25-mai-2023

Tanterahina eny amin’ny Novotel Ivandry ny 24-26 may ny “Journées de programmation industrielle » eo iarahan’ny

Voir plus