airtel

Toekarena

11-oct-2022

Toekarena

Ampihimamba amin’ny lavanila “Mety hampikatona ny tsenan’ny AGOA”, hoy i Roland Ratsiraka

Sample post image

Mety hikatona ny orinasa zone franche manondrana akanjo mankany Etazonia amin’ny alalan’ny AGOA (African Growth Opportunities Act) raha tanteraka ny AMI (Appel à Manifestation d’Intérêt) izay karazana ampihimamba

11-oct-2022

ataon’ny CNV (Conseil National de la Vanille)”, hoy ny depiote Roland Ratsiraka tao amin’ny pejin-tserasera Facebook-ny omaly. Nambarany fa ny praiministra Christian Ntsay tamin’ny alakamisy 6 oktobra lasa teo dia namory ny mpamatsy vola sy ny ambasadaoro rehetra tao Mahazoarivo momban’ny lavanilo. “Mazava ny nambaran’izy ireo, raha tanteraka io ampihimamba io dia hiato ny AGOA, fanondranana entana tsy mandoa haba mankany Etazonia, hoy hatrany ity depiote ity. 40.000 mahery ny isan’olona nambarany fa ahiana ho very asa ary mihoatran’ny 300 tapitrisa dolara ny vola vahiny very ka mila mandray andraikitra ny filoha Andry Rajoelina. Tsy vao sambany ity olom-boafidy mpanohitra fitondrana ity no nitondra kiana momba ny seha-pihariana lavanila sy ny maro hafa tahaka ny lodisia, jirofo,… Nanakiana sy nanenjika mafy ny mpandraharaha goavana iray akaiky ny Filoha ho mpanao ampihimamba ary tsy maintsy mandalo eo ambany masony ny fahazoan-dàlana manondrana tahaka ny resaka lodisia. Ny resaka lavanila indray, izy tenany mihitsy no niditra an-tsehatra nitety ny faritra mpamokatra toy ny tany SAVA, izay nisy fotoana za toa nifamafa “trace” tamin’ny Filoha Rajoelina. Eo ny politika fa toa efa tena miitatra any ekonomika ny endrika tsy fitovian-kevitra na fifandirana misy. Ny an’iza ny marina ary ny an’iza no diso satria ny ankilany ihany koa mivoy mafy ny resaka fitadiavana lalambarotra ?

Toky R

 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

miainga any amin’ny fanisana na «comptabilité» ny fanatsarana ny fampidiran-ketra,

Card image cap