airtel

Toekarena

07-mai-2024

Andrianjato Vonison

Nanao ampamoaka goavana momba ny Madagascar oil

Sample post image

Misedra olana administratifa amin’izao fotoana izao ny orinasa Madagascar oil,

07-mai-2024

hoy ny mpanao politika, kandida depiote ao amin’ny boriboritany faha 4, Andrianjato Vonison. Izany hoe ny fanjakana indray, hoy izy, no mametraka olana amin’ity orinasa vahiny ity. Efa ela io orinasa io no nisahana ny fitrandrahana ny solika teto Madagasikara. Nahitam-bokany izany fitrandrahana izany. Mitrandraka ny atao hoe «fuel lourd» na menaka mavesatra izy izao. Ny vola entina misahana ny fikarohana sy fitrandrahana dia ampahany hafa amin’ny orinasa lehibe toy itony. Rehefa andeha any amin’ny fitrandrahana ianao dia tsy maintsy apetraky ny banky misahana izany na «banque de référence» erak’izao tontolo izao, isany ny banky iraisampirenena hoe tsy azo atao ny mitrandraka ambanin’ny tahaka izao. Nahazo fampindram-bola hatrany amin’ny 8 miliara Dolara na «reforme financière» ity orinasa ity. Tetibolan’i Madagasikara 3 taona latsaka kely no azony dia taitra indray ilay fanjakana dia mila vaniny. Ny tena mila vaniny ao anatiny ao dia misy vazaha iray izay tena milaza azy ho tompony mihitsy eto Madagasikara amin’izao fotoana izao miara-miasa amin’ireto fanjakana ireto ary manahirana. Na ny ambasadin’i Frantsa aza tsy mampiditra an’io olona io intsony. Io izany no lasa olantsika satria misakana ny tombontsoan’ny vahoaka malagasy maro an’isa izay mila izany atao vokatra stratejika izany satria tsy vitan’ny hoe menaka mavesatra fotsiny io fa efa solika na «gasoil». Solika faran’izay tsara. Ny dingana hitrandrahana azy hanadiovana ilay menaka mavesatra dia faran’izay tsotra kely.
TORIANA ILAY TOMPON’ANDRAIKITRA VAOVAO
Lasa misy olana ao anatin’izany ny toe-tsain’ny mpitantana manoloana ny tsy fisian’ny vola eto Madagasikara amin’izao fotoana dia io fa torian-drizareo ilay tomponandraikitra vaovao ao anatin’izany Madagascar oil fa ilay anankiray tratry ny fetran-taona satria efa 70 taona izany izao ilay vazaha miray tendro amin’ity vazaha iray miara-miasa amin’ny fanjakana dia milaza fa hoe misy dingana tsy mety dia lasa mitory any amin’ny tribonaly sy ny toy izany fa tsy toy izany kosa no atao hoe tany tan-dalàna eto Madagasikara. Zavatra toy izany no antony hirotsahana solombavambahoaka satria tsy ampy ny adihevitra eto Madagasikara. Tsy izay tianao atao akory no atao rehefa mitondra fanjakana ianao. Raha vitantsika irery ny mampandroso an’i Madagasikara dia efa natao hatramin’izay. Na ny mamaritra vola misy eto Madagasikara amin’ny alalan’ny PIB na harinkarena aza tsy vitan’io fanjakana io akory. 12,2% fara faha amboniny na «à hauteur de 12,2%» no vitany. Faikan-tsolitany no afarana amin’ny karàna eto Madagasikara. Ny traikefa frantsay mihitsy no mametraka ny hoe tsy mety io solika eto Madagasikara io. Tsy azo andefasana fiara frantsay mandeha Diesel intsony eto Madagasikara satria manimba maotera io. Ny orinasa efa tonga eo izay an’i Libia irery izay afaka mifaninana amin’ity vokatr’i Tsimiroro ity izany amin’ny resaka solifara na «souffre» dia maninona no elingelenina toy izany nefa tokony hamoron’asa be dia be eto Madagasikara? 3 miliara Dolara no tetibolan’io fanjakana io. Tsy mahavita mamorona asa io. Izao aza izy mbola mamerina mijery tetibola satria teren’ny FMI na tahirim-bola iraisampirenena amin’ilay fifanarahana amin’ny FEC tokony ho 18 volana dia nitarina ho 38 volana. Hamono vahoaka izany. Mila mijoro ho tena maodely sy fanjakana tena mahazaka fanjakana ny fanjakana fa tsy fanjakana jiolamboto sanatria, hoy hatrany ity kandida depiote nanao ampamoaka momba ny orinasa Madagascar Oil ity.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique