airtel

Toekarena

06-avril-2023

Toekarena

Angovo, nomerika, fambolena Hamoaka 600 tapitrisa dolara ny Banky Iraisam-pirenena

Sample post image

Nankatoavin’ny Banky Iraisam-pirenena ny 30 martsa 2023 teo ny famatsiana ara-bola ny tetikasa miisa roa mitentina 600 tapitrisa dolara hanampiana ireo sehatra mitondra fandrosoana ho an’i Madagasikara,

06-avril-2023

toy ny fambolena, ny angovo, ary ny fifandraisan-davitra. Tafiditra ao anatin’izany ny tetikasa fampifandraisana ara-nomerika sy ara-angovo an’I Madagasikara na DECIM, ka mahatratra 400 tapitrisa dolara no haompana amin’izany. Hampiakatra avo roa heny ny fisitrahana angovo eto Madagasikara izayyy 33,7% hatrany amin’ny 67% io, ary hanampy 3,4 tapitrisa ireo mpisitraka tambajotra internet ihany koa ny tetikasa voalohany, raha ny fanazavana teknika. Faharoa ny tetikasa momba ny famokarana miompana kokoa amin’ny fiatrehana ny zava-misy ankehitriny, haompana kokoa amin’ny tontolo ambanivohitra, izay mitentina 200 tapitrisa dolara. Faritra miisa izay isan’ny tena mpamokatra ara-tsakafo eto amin’ny firenena, dia Alaotra-Mangoro sy Sofia no tena hisitraka io tetikasa io, ka tafiditra ao anatin’izany ny fanajariana ireo lemaka, fanajariana sy fanatsarana ny fitantanana ireo fotodrafitrasa toy ny fitarihan-drano, fanamafisana ny famokarana sy ny lalan-jotra amin’ny fanodinana ny vokatra,… Tokantrano 165 000 no hisitraka izany, 3000ha ny toerana hajariana, 150km ny làlana eny ambanivohitra hatsaraina mba hampifandray ny mpamboly sy ny tsena. Ankehitriny, Malagasy 4 amin’ny 5 no miaina amin’ny fambolena sy ny fiombiana, ka heverina fa hitondra faharafahakeliny 30% amin’ny PIB na harin-karena faoben’ny firenena ny fijerena io sehatra io, hoy ny Banky Iraisam-pirenena. Andrasana ny fahatanterahan’izany satria efa resahantsika matetika foana ny hoe: misy fepetra ny famoaham-bolan’ny Banky iraisam-pirenena sy ny mitovy aminy, fa tsy mandehandeha fahatany. Maro ny mason-tsivana, toy ny Fanjakana tsara tantana, ny fangaraharahana, fanajana ny demokrasia,… ka irariana mba tsy ho ny tsy fahaiza-mitantan’ny mpitondra no ho lasa ho sakana hatrany amin’ny tetikasa heverina fa hitondra fivoarana ho an’ny firenena. Isan’ny ilain’I Madagasikara rahateo ny resaka angovo, ny sehatry ny nomerika,… izay tsy azo hihodivirana eo anatrehan’ny fitosika ny zava-baovaon’ny fanatontoloana.
Toky R
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

miainga any amin’ny fanisana na «comptabilité» ny fanatsarana ny fampidiran-ketra,

Card image cap