Raha tsiahivina dia fikambanana hivondronan'ireo tanora mpianatry ny ESPA sady mbola mamita fianarana na efa mandraharaha izy io. Nisy ny hetsika nentin’izy ireo nanamarihana izany ny faran’ny herinandro teo izay mitaona ny tanora handraharaha fa tsy hitady asa fotsiny. Antoka iray hahafahana mampandroso haingana ny firenena mantsy izany. Tamin’izany no nampitan’ny solontenan’ny Ministry ny indostria hafatra tamin’ireo tanora mba tsy hatahotra hampiasa vola, hanangana orinasa ary hahaleo tena. “Mifototra amin'ny fandraharahana, hoy ihany izy, ny fampandrosoana ny firenena. Nisy ihany koa moa nandritra io fotoana io ny fizarana fohy nataon'ireo tanora mpandraharaha, tompon'andraikitra amin'ny orinasa ary ny avy ao amin'ny ONUDI ho famporisihina ireo tanora eto amintsika.
Nangonin’i Pati
Legende : Maro ireo vehivavy mpandraharaha tazana nizara ny traikefa nananany teto