airtel

Toekarena

11-mai-2022

Toekarena

Asam-panjakana ambony “Omeo lanja ireo teknisianina nianatra!”

Sample post image

Tsy hanaiky atao fitaovana politika intsony ny mpiasam-panjakana ambony, hoy ny fanambaran’ny federasionin’ny sendikan’ireo mpiasam-panjakana ambony na “Federation des Syndicats des Grands corps de l'Etat” tetsy amin’ny Le Pave Antaninarenina omaly.

11-mai-2022

Handray ny andraikitra tandrify azy ny federasionina satria lasa atao fitaovana izy ireo ary tsy manana lanjany eo amin'ny asa nianarany, hoy izy ireo. Noho izany dia manana adidy eo amin'ny fampandrosoana firenena ireo mpiasam-panjakana ambony ary tsy manaiky atao fitaovana intsony. Omeo lanja ireo teknisianina izay nianatra, hoy hatrany izy ireo omaly. Anisan’ny tena tsy levon’ny vavon’ireo mpiasam-panjakana ambony izay nianatra ny asa sahaniny ny fidiran’ny mpanao politika nahazo faefana lalina loatra amin’ny fanapahan-kevitra teknika; to any mpanao politika mety nahazo fahefana am-pitaka no mandidy sy manapaka ry tahaka ny tena milalao mihitsy ireo mpiasam-panjakana ambony.Ary ny loza aza dia indraindray olona tsy mendrika sy tsy mahazaka ilay toerana no tendrena iandraikitra izany fa ahilika ireo olona tena nianatra ny resaka fitantanan-draharaham-panjakana.Ireo izay say miteny sy mijoro dia afindra toerana na iharan’ny antsojay isan-tsokajiny.Tsy ekena intsony izany hoy ireo “grands corps de l’Etat”
J. Mirija
 

 

 

Dans la même rubrique

23-avril-2024

Nifanakalo traikefa tamin’ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny any Maroc ny ekipan’ny ODOF.

Card image cap
23-avril-2024

Mbola mitohy ny fisoratana anarana amin’ny loka Pierre Castel. Hifarana ny 24 aprily ho avy izao ny andiany amin’ity 2024 ity.

Card image cap
22-avril-2024

Tena mampieritreritra lalina ny tenin'ny mpitandrina tao amina fiangonana iray ny alahady lasa teo.

Card image cap