mpisehatra amin’ny sehatry ny bambou eto Madagasikara, dia mihamitombo tsikelikely ny vokatra azo avy amin’ity akora ity. Fanaka sy haingon-trano, hatramin’ny kitapo sy kojakoja isan-karazany, no anisan’ireo vokatra efa vitan’ireo mpanao asa tanana. Na izany aza, mbola maro ireo sakana sedrain’izy ireo, indrindra ny fahazoana akora fototra sy ny fahafahana manondrana ireo vokatra any ivelany. Anisan’ireo sehatra mbola manana fahafahana lehibe hivelarana eto Madagasikara ny fanodinana sy ny fanomezan-danja ny bambou. Efa misy ankehitriny ireo mpanao asa tanana mamokatra fanaka ampiasaina an-tokantrano, haingon-trano ary kojakoja isan-karazany vita amin’ny bambou. Efa misy toerana ahitana sy ivarotana ireo vokatra vita amin’ny bambou, isan’izany ny eny amin’ny 67 Ha, izay ahafahan’ny mpanjifa mahita karazana asa tanana vokarina eto an-toerana. SAROTRA Sarotra ny fahazoana ny akora fototra na eo aza izany fivoarana izany, mbola miatrika olana maro ireo mpanao asa tanana. Anisan’ny tena manahirana azy ireo ny fitadiavana ny akora fototra, noho ny tsy fahampian’ny famatsiana bambou eny amin’ireo faritra iasana. Araka ny fanazavan’ny président ny association AFIMA ANDRIAMAHANDRY randriamiharisoa izay mpisehatra amin'ny banbou dia any Moramanga no anisan’ireo toerana ahazoana bambou ampiasain’izy ireo amin’ny famokarana. Miteraka fandaniana sy fahasarotana fanampiny ho an’ireo mpanao asa tanana izany, indrindra ho an’ireo izay miasa lavitra ny toerana famokarana ny akora. Ho an’ireo mpisehatra, mbola sehatra malalaka sy manana fahafahana lehibe ny bambou, raha toa ka voalamina tsara ny famokarana, ny fanodinana ary ny tsena. Mety hiteraka asa sy fidiram-bola ho an’ny mponina ihany koa ny fampiroboroboana azy, indrindra eo amin’ny sehatry ny asa tanana.
FANOMEZANA FITAOVANA
Mba hanampiana ireo mpisehatra amin’ity sehatra ity, dia nisy ny fanomezana fitaovana ho an’ireo mpanao asa tanana, izay notohanan’ny Coopération chinoise sy ny INBAR. Ireo fitaovana ireo dia natao hanamorana ny asa sy hanatsarana ny kalitaon’ireo vokatra vita amin’ny bambou. Anisan’ny fitaovana manokana natolotra ny milina fanjairana ho an’ireo vehivavy mpanao asa tanana. Kendrena amin’izany ny hanamorana ny asa famokarana, hampitomboana ny vokatra ary hanatsarana ny kalitaon’ireo asa tanana, mba hahafahan’ireo mpisehatra mampitombo ny lanja ara-barotra ateraky ny vokatra. Tsy mijanona amin’ny fanomezana fitaovana ihany anefa ny tanjona, fa ny fanohanana ireo mpanao asa tanana mba hahafahan’izy ireo manova ny talentany sy ny fahaizany ho asa fivelomana maharitra araka ny fanazavan'ny mpiandraikitra ny sehampiarina banbou eto Madagascar RAZAFINDRAKOTO Jenhive.
MILA RAFITRA LAVALAVA
Anisan’ny olana lehibe mbola atrehan’ny sehatry ny bambou eto Madagasikara ihany koa ny resaka fanondranana. Araka ny fanazavan’ireo mpisehatra, mbola tsy ampy ny rafitra ara-dalàna manokana (cadre juridique) mifehy sy manamora ny fitrandrahana sy ny fanondranana ny vokatra vita amin’ny bambou, raha oharina amin’ireo akora fototra hafa efa manana rafitra voafaritra kokoa, toy ny Rafia. Vokatr’izany, mbola vitsy dia vitsy ireo mpandraharaha afaka manondrana vokatra vita amin’ny bambou any amin’ny tsena iraisam-pirenena. Ho an’ireo mpisehatra, ilaina ny fametrahana rafitra ara-dalàna mazava izay afaka manome tosika ny famokarana, ny fanodinana ary ny fanondranana. Araka ny fanazavan-dRtoa Razafindrakoto Jenhive, mpiandraikitra ny sehatry ny bambou eto Madagasikara hatrany dia mbola ambany ihany koa ny tahan’ny fanjifana anatiny. Manodidina ny 10%-n’ny Malagasy ihany, araka ny fanazavany, no manjifa vokatra vita amin’ny bambou.
MIARA-MIASA AMIN'NY INBAR
Efa ela no niarahan’i Madagasikara niasa tamin’ny INBAR (International Bamboo and Rattan Organisation). Tamin’ny taona 2004 no nidiran’i Madagasikara tao anatin’io fikambanana io, ary nanomboka tamin’ny taona 2010 kosa no nisian’ny tetikasa mifantoka amin’ny bambou ho an’i Madagasikara.Amin’ireo mpisehatra, zava-dehibe ny fanohizana ireo hetsika fanohanana toy izao, indrindra satria mbola eo am-pananganana ny sehatra ary mila fanamafisana ny fahaiza-mamokatra sy ny fahafaha-mivarotra. Antso ho an’ny fanjakana sy ny mpanjifa Manoloana ireo olana ireo, mangataka amin’ny Fanjakana sy ireo solombavambahoaka ireo mpisehatra mba handinika ny fametrahana cadre juridique mazava momba ny bambou. Ho azy ireo, afaka manokatra lalana vaovao ho an’ny fampandrosoana ny sehatra izany, indrindra eo amin’ny famokarana betsaka sy ny fanondranana any ivelany.
HAMORAY NY FIDIRANA AMIN'NY TSENA IRAISAM-PIRENENA
Mbola vitsy ihany mantsy ireo mpandraharaha afaka mampiditra ny vokatra vita amin’ny bambou amin’ny tsena iraisam-pirenena. Raha voatsangana ny rafitra manohana izany, dia inoana fa afaka mitombo ny isan’ireo mpisehatra sy ny vokatra aondrana. Eo an-kilany, miantso ny Malagasy ihany koa ireo mpanao asa tanana mba hanjifa bebe kokoa ny vokatra vita eto an-toerana. Ho azy ireo, ny fanohanana ny vokatra vita amin’ny bambou dia tsy vitan’ny hoe mampiroborobo ny asa tanana, fa manampy amin’ny famoronana asa sy ny fampivoarana ny sehatra famokarana eto Madagasikara. Mbola lavitra ny lalana tokony haleha, saingy heverin’ireo mpisehatra fa manana vintana lehibe ho lasa sehatra ara-toekarena mamokatra sy mamorona asa ny bambou, raha toa ka mahazo ny fanohanana ara-dalàna, ara-teknika ary ara-barotra ilainy.
Narindra