Mikasa ny hanangana toerana fanangonana volamena any Ambilobe, Maevatanana, Mananjary ary Miandrivazo, faritra fantatra fa manana betsaka eto amintsika ny Banky Foiben’i Madagasikara (BFM). Tanjona ny hanamafisan-toerana ny tahirim-bolamena eto amin’ny firenena, sady hanatsara ny fahazoana manara-maso sy fampanarahan-dalàna ny rojo ara-barotra. Ireo toerana vaovao ireo dia natao hanamorana ny fidiran’ny mpitrandraka volamena madinika amin’ny sehatra ara-dalàna, ary hanamafy ny fanaraha-maso ny kalitao sy ny fahadiovan’ny volamena amidy. Tafiditra ao anatin’ny fifanarahana roa nosoniavina tamin’ny volana Aprily 2026 teo amin’ny BFM, ny ministeran’ny Harena an-kibon’ny tany, ary ny ONUDI (Organisation des Nations unies pour le développement industriel), ao anatin’ny programa PlanetGOLD Madagascar ity dingana ity, raha ny fampahatsiahivan’ny fampalalam-baovao iray omaly. Ny PlanetGOLD dia mikendry indrindra ny hampihena sy hanala tanteraka ny fampiasana mercury amin’ny fitrandrahana volamena artisanal, izay mbola mahazatra amin’ny faritra maro eto amin’ny nosy. Ankoatra ny fanangonana volamena, ny BFM dia manomana fandaharan’asa hanampy amin’ny fampanarahan-dalàna ny asa fitrandrahana amin’ny fomba nenti-paharazana, hanokatra ny lalana ho an’ny fidirana amin’ny tolotra ara-bola, ary hanohana ny fampiasana teknolojia tsy mampiasa merkiora. Voakasika ihany koa ny fanabeazana ara-bola ho an’ireo mpitrandraka sy ny fanitarana ny toeram-panjakana ara-bola any amin’ireo faritra be volamena. Araka ny tarehimarika navoakan’ny BFM, ny fitrandrahana volamena nenti-paharazana sy amin’ny ambaratonga madinika dia manome asa 600 000 mivantana eto Madagasikara. Noho izany, heverina ho dingana lehibe amin’ny fanovana ny rojo ara-barotra: manomboka amin’ny fanangonana sy fanamarinana ny vokatra, hatramin’ny fivarotana amin’ny tsena iraisam-pirenena ny fananganana ireo toerana fanangonana volamena. Raha tanteraka ny tetikasa, dia antenaina fa hanampy amin’ny fampitomboana ny tahirim-bolamena eto amin’ny firenena, hanatsara ny fidiram-bola ary hampihena ny fitrandrahana tsy ara-dalàna izay mbola manjaka amin’ny faritra maro. Tsara ny manamarika fa volana febroary 2026 teo no nilaza ny Governoran’ny Banky Foibe Atoa Aivo Andrianarivelo fa mahatratra 20 taonina isan-taona ny volamena mivoaka avy eto. 1 taonina kosa ireo tahirim-bolamena voahangona saingy 100 kg no nampanfatarina ny fandintseranana.
Manana ny lanjany ara-toekerana ho an’ny Firenena iray ny tahirim-bolamena ara-dalàna dia ny « or monetaire », fa rehefa miresaka BFM ihany, dia fantatra fa mahatratra 3,676 miliara dolara ny Tahirimbola vahiny ofisialin’i Madagasikara tamin’ny faran’ny volana Jona 2026, ka nahafahana nandrakotra ny filàn’ny firenena amin’ny fanafarana entana sy tolotra mandritra ny 7 volana eo ho eo, raha 5,9 volana izany herintaona lasa izay, raha ny tatitra. Nahatratra 3,067 miliara dolara kosa ny tahirim-bola tamin’ny faran’ny volana Jona 2025, izany hoe nitombo 608,8 tapitrisa dolara tao anatin’ny herintaona.
Toky R