airtel

Toekarena

12-oct-2022

Toekarena

Banky Iraisam-pirenena Mitaky fanatsarana hatrany amin’I Madagasikara

Sample post image

Miatrika ny Fihaonam-be isan-taonan’ny Banky Iraisam-pirenena sy ny Tahirimbola iraisam-pirenena (FMI) ny Mpitondra Malagasy amin’ny alalan’ny delegasionina tarihin’ny Minisitry ny toekarena sy ny fitantanam-bola Rtoa Rindra Hasimbelo Rabarinirinarison.

12-oct-2022

Nihaona tamin’ny Talen’ny Departemantan’i Afrika, Andriamatoa ABE SALASSIE ny sy ny ekipany ny delegasiona Malagasy, araka ny tatitry ny Minisiteran’ny toekarena sy ny vola. Niompana tamin’izany ny fanolorana ireo tetikasa fanavaozana ho an’ny fanatsarana ny fitantanam-bolam-panjakana. Tsara rahateo ny manamarika fa zara raha nahazo naoty 2,5/6 avy amin’ny Banky iraisam-pirenena isika amin’io lafiny io. Nomarihin’ny fampitam-baovaon’ny Minisitera fa ny fanavaozana natomboka dia mahakasika indrindra ny : ny rafitra ara-dalàna sy ny andrim-panjakana, ny fitantanana ny fananan-tany, ny fampiasana ny haitao ara-kajy mirindra amin’ny fanatanterahana ny tetibola, ny fampiasana ny haitao ara-kajy mirindra amin’ny fikarakarana ny raharaham-panjakana, ny fanamafisana ny fanaraha-maso ny volam-panjakana, izay vao nifanaovana soniam-pifanarahana antsoina hoe “Politika anatiny miady amin’ny kolikoly”, ny fangaraharana sy ny fitondrana tsara tantana amin’ny alalan’ny fampahalalam-baovao mifandraika amin’ny fanatanterahana ny tetibola, ary ny fahafahan’ny Fitsarana misahana ny kaonty miditra amin'ny rafitra informatikan’ny Minisitera. Nambara fa mariky ny fanamafisana ny fitantanam-bolam-panjakana eto Madagasikara izany. Nitohy tamin’ny fivoriana niaraka tamin’ny Country Team izany, ary noresahana tamin’izany ny momba ny teti-bolan’i Madagasikara ho an’ny taona 2023, ahafahana manatontosa ny jeritodika faha-3 momba ny “Facilité Elargie de Crédit” na ny FEC, hoy hatrany ny tatitra.
Toky R 

Dans la même rubrique

23-avril-2024

Nifanakalo traikefa tamin’ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny any Maroc ny ekipan’ny ODOF.

Card image cap
23-avril-2024

Mbola mitohy ny fisoratana anarana amin’ny loka Pierre Castel. Hifarana ny 24 aprily ho avy izao ny andiany amin’ity 2024 ity.

Card image cap