airtel

Toekarena

02-juin-2022

Toekarena

Banky Iraisam-pirenena «Tena mila fanaovaozana ara-paikady ianareo »

Sample post image

Nahena ho 2,6% ny vinavinan’ny fiakaran’ny toekaren’i Madagasikara ho an’ity taona 2022 ity raha 5,4% no nofaritan’ny Fanjakana tany am-boalohany.

02-juin-2022

Io 2,6% io no vinavina ara-toekarena navoakan’ny Banky Iraisam-pirenena, izany hoe antsasaky ny tombatombana napetraky ny Fanjakana. Hijanona ho 81% kosa izay ambony indrindra teo amin’ny tantara aloha hatreto ny tahan’ny fahantrana. Io no isan’ny vokatry ny fiantraikan’ny valanaretina coronavirus andiany fahatelo, ny voka-dratsin’ny rivodoza nisesy, ary ny ady any Ukraine, araka ny vina mikasika ny toekaren’i Madagasikara ho an’ity taona 2022 ity. Mifanindran-dàlana amin’io, vinavinaina hiakatra hatrany amin’ny 7,5% kosa ny fisondrotry ny vidim-piainana raha toa ka 6,3% ny vinavina teo aloha. Mahatratra 6% amin’ny harin-karena faobe (PIB) kosa ny “déficit budgetaire”. Tsy maintsy ara-toekarena hiantraika ary tsy maintsy hatrehintsika ny vokatry ny ady Ukraine. Misy fiantraikany lehibe ny krizy ara-angovo miseho any Eoropa satria ny fanintsiana sy fampihenana ny famokarana any Eoropa dia miantraika aty amintsika. Isan’ny anntony iray misakana ny fisondrotana ara-toekarena ny fitotonganana na fijotsoan’ny fampiasam-bola tsy miankina eto. Noho ny zava-misy miteraka tsy fahamarinan-toerana sy tsy fananana antoka ara-toekarena, mila manova sy manana paikady mahomby i Madagasikara mba hanafainganana ny hanarenana sy hampiakarana ny toekarena, hoy ny Banky Iraisam-pirenena. Tena ilaina izany mba hampihenana ny fahantrana amin’ireo taona ho avy, hoy i Marie-Chantal Uwanyiligira Tompon’andraikitry ny Banky Iraisam-pirenena eto. Isan’ny notsipihiny ny fanafainganana ny fanaovana vaksiny ireo olona marefo sy ireo olona manokana toy ny any amin’ny faritra an-drenivohitra sy ny toeram-pizahantany. Mila mandray fanapahan-kevitra sy manao ezaka goavana amin’ny fampihenana ny tahan’ny tsy fanjarian-tsakafo sy fampitoana ny famokarana ara-pambolena nasionaly mihitsy. Isan’ny noresahin’izy ireo ihany koa ny fanavaozana ny saran’ny herinaratra sy ny angovo. Tokony ho tratran’i Madagasikara ny tahan’ny fiakaran’ny harin-karena faobe 4,2% amin’ny 2023, raha tena misy ny ezaka, ary eo ihany koa ny antoka ara-pandraharahana ho an’ny tsy miankina, hoy ny fanamarihana. Ny fiverenan’ny fandraharahana ara-toekarena amin’ny laoniny dia tokony hiteraka fihenan’ny tahan’ny fahantrana ho 80,2% amin’io 2023 io, raha ny eritreritry ny Banky Iraisam-pirenena. Tsara ny mampahatsiahy fa efa nisy ihany koa ny fanadihadian’ny mpamatsy vola nilaza fa afaka 70 taona isika vao hitovy amin’i Rwanda amin’izao raha tsy manova paikady. Tena mifandraika amin’izany ve ny laharam-pahamehan’ny Fanjakana izay tsapa sy tsikaritra ary efa hita miharihary fa sarotra atoro sy tsy mba hanaiky ho diso izany ? Mbola resaka mamirapiratra foana ve no maika sy handaniana volam-bahoaka?
Toky R
 

Dans la même rubrique

22-avril-2024

Tena mampieritreritra lalina ny tenin'ny mpitandrina tao amina fiangonana iray ny alahady lasa teo.

Card image cap