tia tanindrazana

Parution du Vendredi, 2 Juin 2023

airtel

Toekarena

Dany Rakotoson “Manana sary ratsy isika amin’ny resaka fandraharahana”

Mbola anaty krizy moa isika, hoy ny mpandraharaha sady mpandinika raharaham-pirenena, Dany Rakotoson, ary mitady ny lalan-kizorany na “repère” ho azy indrindra ao anatin’izany ny vahoaka.

08-nov-2022

Sample post image

Nampiakatra karama ny fitondram-panjakana, hoy izy, fa tsy mahasehaka ilay fiakaran’ny vidin’entana sy ny fiainana eny an-tsena rehetra eny. Ny fitondram-panjakana moa manao izay ho afany amin’ny fandaminana sy izay mba mety isian’ny fandraharahana sy indrindra famoronana asa. Tsy voafetra nefa ny resaka namanamana. Nahafinaritra izao ny naheno hoe hisy fanalefahan-ketra nefa ohatran’ny malahelo indray ny tena maheno hoe mila mandalo filankevitry ny governemanta aloha vao misy ilay izy. Anatina firenena manana fahalalahana nefa dia rafitra na “entité” iray apetraky ny fanjakana fotsiny dia afaka mankato izany fa tsy voatery hiandry fanjakana. Na maheno ilay kabarin’ny filoham-pirenena aza dia velom-panontaniana hoe mbola eo foana ve ilay famerana sy fanavahana ireo tsy mitovy hevitra amin’ny tena? Fandraharahana no resaka eto fa tsy politika. Niaraha-nahita fa tsy natao ho an’ny mpandraharaha malagasy mihitsy ny zavatra natolotry ny fitondram-panjakana tamin’ireny faoraoman’ireo mpamatsy vola ireny. Ho an’ny vahiny matanjaka be sy olona vahiny matanjaka be avy any ivelany ilay izy. Iaraha-mahalala nefa fa manana sary ratsy isika amin’ny resaka fandraharahana sy fifampitokisana. Na vao naheno fotsiny aza hoe mandalo filankevitry ny governemanta ilay fanalefahanketra dia hoy aho hoe mbola mandeha ihany izany ny kiantranoantrano amin’izy ity. Mila mampiseho ny fitondram-panjakana fa tena misokatra amin’ny fandraharahana. Azo itokisana izany Madagasikara izany amin’ny resaka fandraharahana fa tsy hoe hiantso ianao nefa ny kibay an-kelika ihany. Tadidio fa mbola fetsy lavitra noho isika ireo mpandraharaha vahiny ireo. Manao tsolotra ny ankamaroany miditra eto fa avo 100 heny amin’ny tombontsoa azon’ny vahoaka malagasy no azony. Mila mijery isika hoe iza no mpandraharaha vahiny tena hitondra tombony ho an’ny firenena dia iza no mpanararaotra. Mikasika ny hoe fiaraha-miasan’ny mpandraharaha sy ny CENI dia tadidio tsara fa sampan-draharaha manana famatsiam-bola ny CENI. Maninona moa no tsy alefa fotsiny ny fanadihadiana ifotony ny lisitra efa eo fa tsy hamerina hanisa indray. Tsy asan’ny orinasa ny hanampy amin’ny fanisana mpifidy saingy fitiavan-tanindrazana moa ny an’ny mpandraharaha fa raha ny sitraponay mihitsy dia tsy misy mifanelingelina amin’izany satria asan’ny CENI madiodio izany, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

Card image cap
Ala nenina farany ilay BTS Mety hamidy ny Jirama raha tsy tafavoaka…
02-juin-2023

Tsy vaovao intsony fa efa fiainana andavanandro ny fahatapahan-jiro lava eto Madagasikara. Olana mandavan-taona, ary zavatra maro no potika noho ny delestazy fa isan’ny vokany miharihary ny fahapotehana ara-toekarena

Card image cap
Banky sy MVola Lasa 0 Ariary ny saran’ny fifanakalozam-bola
02-juin-2023

Nanomboka omaly 1 jona 2023 dia lasa 0 Ariary ny saran’ny fifanakalozam-bola eo anivon’ireo banky sy ny MVola na

Card image cap
Tsenabe ho an’ny fetin’ny reny Nisokatra omaly ny la grande braderie de Madagascar
02-juin-2023

Hankalaza ny fetin’ny Reny isika afaka rahampitso alahady 04 jona. Ankoatra ny fitondrana am-bavaka azy ireny…dia tsy latsa-danja amin’izany ny fanolorana fanomezana na mofomamy ho an’i Neny

Card image cap
Fifanakalozana ara-barotra eto Afrika Fanamby ny hahatanterahan’ny ZLECAF
01-juin-2023

Nomarihina omaly teny amin’ny Minisiteran’ny raharaham-bahiny ny Andron’I Afrika, izay nampifanarahana amin’ny faha-60 taona nananganana

Voir plus