airtel

Toekarena

29-nov-2022

Toekarena

Distrikan’Ivohibe Mizara Masomboly ny Conservation international

Sample post image

Tokantrano manodidina ny 700 ao anatin’ny distrikan’Ivohibe no mahazo tombotsoa amin'ny tetikasa avy amin’ny tetikasa Fiarovana novolavolain’ny Conservation International Madagascar, ary vatsian’ny GCF avy any Washington vola.

29-nov-2022

 Mpikambana ao anatin’ny VOI (Vondron’olona Ifotony), Fikambanam-behivavy ary Koperativa izy ireo, izay vonona tanteraka hiady amin'ny fiovaovan'ny Toetr’andro sy Fiarovana ny Tontolo Voajanahary Lovainjafy ao anatin'ny Tandavan'Ala Ilany Atsinanan'i Madagasikara Ambositra Vondrozo ka isan'izany ny Distrikan'Ivohibe. Homena tosika hamokatra sy hiary ireo tantsaha, ka natomboka omaly ary haharitra andro maromaro ny fizarana masomboly ahitana tsaramaso, katsaka, voanjo, izay mbola narahina fitaovana entina miasa eny an-tsaha. Amporisihina hamboly sy hamokatra ny tantsaha mba tsy hamotika ny tontolo iainana, indrindra fa ny ala izay tena mihazakazaka ny fahasimbany noho ny fitrandrahana bontolo sy famotehana an-jambany ataon’ny olombelona. Zavatra tokony himasoana sy hatao laharam-pahamehana ny resaka tan-tsoroka ara-pambolena tahaka izao mba ahafahantsika tena mamokatra sy hahatongavana amin’ny fahavitan-tena ara-tsakafo, ary hanana ambim-bava sy hanondrana mihitsy aza no tena tokony hotratrarina.

Toky R

Dans la même rubrique

25-avril-2024

miainga any amin’ny fanisana na «comptabilité» ny fanatsarana ny fampidiran-ketra,

Card image cap