airtel

Toekarena

16-févr-2021

Toekarena

Drafitra marolafy iatrehana ny covid-19 Hotohizana hatramin’ny jona mialohan’ny PEM

Sample post image

Notanterahina teny amin’ny Minisiteran’ny raharaham-bahiny Anosy omaly ny fivoriana mikasika

16-févr-2021

 

 

 

 ny drafi-pirenena marolafy iatrehana ny valanaretina covid-19 notarihin’ny Praiminisitra Lehiben’ny governemanta Atoa Ntsay Christian, nahitana ireo mpikamban’ny governemanta manontolo, Mpiara-miombon’antoka ara-teknika sy ara-bola (PTF), ny sehatra tsy miankina, ny fiarahamonim-pirenena, nanaovana tombana sy nanomanana ny ho avy, ka nitarika izany ny Praiminisitra Ntsay Christian. Niaraha-nijery ny ezaka natao tao anatin’ny fotoana rehetra mba hiadiana amin’ny valanaretina, hoy izy omaly. Nojerena ny mahakasika ny ara-bola, ny fitaovana nampiasaina, ny zavatra vita,... Eo ihany koa ny ezaka mbola atao manokana iarahana manao amin’ny herinandro na afaka vola vitsivitsy. Nambaran’ny Praiminisitra fa vonona hanohy ny ezaka ny governemanta, efa voafehy ny valanaretina kanefa mbola tsy lefy tanteraka. Hiditra amin’ny fotoana mampangatsiaka ny andro isika afaka volana vitsivitsy, ka mila mametraka lamina vaovao mba tsy hampirongatra indray ny valanaretina, hoy izy. Vonona ny mpiara-miombon’antoka hanome tànana ny fanjakana. Notapahana omaly ihany koa fa ho tohizana hatramin’ny volana jona ny fanatanterahana ny drafitra nasionaly marolafy, ary aorian’izay dia ny PEM (Plan Emergence Madagascar) no drafi-pampandrosoana entina manatanteraka ireo programan’asam-panjakana rehetra. Nodinihina tao anatin’ny firahalahiana sy ny fifanajana izany rehetra izany, hoy ny Praiminisitra.

Toky R

Dans la même rubrique

18-avril-2024

1400 miliara Ariary eo, ankoatran’izay efa nampidirina anaty kitapom-bolam-panjakana, ny hetra tsy tafiditra,

Card image cap
18-avril-2024

Niresaka tamin’ny sehatra tsy miankina foana ny fitantanana ankapoben’ny hetra na DGI,

Card image cap