airtel

Toekarena

11-mai-2022

Toekarena

Durlin Retogniane “Mandohalika ny fizahantany ka tokony hifantohan’ny fitondrana”

Sample post image

Ilaina ankehitriny, hoy ny manam-pahaizana momba ny fizahantany, Durlin Retogniane, ny manarina ny fizahantany anatiny satria vao afaka krizy isika dia sarotra ny hanome tolotra avy hatrany ireo mpizahatany avy any ivelany fa

11-mai-2022

 moramora kokoa ny manomboka mikarakara ny fizahantany ato anatiny. Ilaina, hoy izy, ny mametraka fepetra hanalana ny tahotr’ireo mpizahantany rehetra na avy anatiny na ivelany. Tsy maintsy apetraka koa anefa ny stratejia hanokafana ny sinina rehetra afaka mifampiraharaha amin’I Madagasikara. Na dia sarotsarotra aza ny fifampiraharahana amin’ireo tompona kaompaniam-pitaterana ana habakabaka mikasika ny fepetra apetrantsika eto Madagasikara dia tokony jerena ihany hoe iza amin’ireo kaompania ireo no mifanaraka amin’ny filantsika? Isika no tokony hametraka fepetra fa tsy ny tompon’ny kaompania. Tokony fantarina, ohatra, hoe iza no firenena mpitsidika indrindra an’I Madagasikara dia amin’ireny no tokony sokafana ny fifandraisana ana habakabaka. Hamoraina ny fitaterana ny mpizahantany any. Mila apetraka koa ireo fotodrafitrasa isan-karazany mampiroborobo izay fizahantany eto Madagasikara izay. Raha hiazakazaka hanatratra an’I Maorisy izay mahangona hatrany amin’ny mpizahantany 1.300.000 isa isan-taona isika dia mila manamafy ny fotodrafitrasa eny amin’ny seranana na “infrastructure aéroportuaire” satria mbola 350.000 isa eo izao ny mpizahantany tonga eto. Tsy mahazaka Airbus miisa 10 indray mandeha angamba izao raha Ivato fotsiny no resahana. Mila fanamboarana koa ny seranantsambo satria misy amin’ireo mpizahantany ireo koa no mety handeha sambo. Voakasik’izay i Morondava, Taolagnaro, Sainte Marie, Nosy be sy ny hafa. Tokony hifantoka betsaka amina fotodrafitrasa miompana amin’ny fizahantany ny fanjakana satria tena mandohalika io nefa sady tokony hampidi-bola ho an’ny fanjakana no mamorona asa maro, hoy hatrany ny tenany, saingy ny finiavan’ny fitondrana hanao izany mihitsy hatreto no tsy hita nefa io tokony hifantohan’ny ezaka.
J. Mirija
 

 

Dans la même rubrique

23-avril-2024

Nifanakalo traikefa tamin’ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny any Maroc ny ekipan’ny ODOF.

Card image cap
23-avril-2024

Mbola mitohy ny fisoratana anarana amin’ny loka Pierre Castel. Hifarana ny 24 aprily ho avy izao ny andiany amin’ity 2024 ity.

Card image cap
22-avril-2024

Tena mampieritreritra lalina ny tenin'ny mpitandrina tao amina fiangonana iray ny alahady lasa teo.

Card image cap