airtel

Toekarena

22-août-2022

Toekarena

Endri-pitantanana ny volam-panjakana “Taratry ny abobo sy ny fampanantenana poakaty”

Sample post image

Ho an’ny tetibolam-panjakana lasitra na LFI 1702 miliara, ny nasiam-panintsiana na LFR 11 665 miliara Ar, ny voasoratra efa “mandaté” 4009 miliara Ar.

22-août-2022

Tsy misy afatsy 34% amin’ny volam-panjakana no nanaovana fampiasam-bola, hoy ny Fandaharana Miara-Manonja omaly. Volana jona no tokony ho 50% kanefa izao efa aogositra. Na tsy mahay mampidi-bola, na tsy mahay mitantana ilay Fanjakana. Ny fanefana ny trosam-panjakana, ny karaman’ny mpiasam-panjakana, ny fampandehanana ny raharaham-panjakana. Na misy inona na misy inona dia aloan’ny Fanjakana. Faha-8 amin’ny volana dia 61% amin’ny voasoratra no efa voaloha. Ny fampandehan-draharaham-panjakana (Adminisitration, subvention) 46%, ny fampiasam-bola hoenti-mamokatra 12%. Raha mahay ny asany ny Fanjakana amin’ny fandaniam-bolam-panjakana, dia tokony hakaiky an’ilay 61%; ny RPI (Ressource Propre Interne) ahavitantsika kianjan’ny Barea be dia be 3% eo, izany hoe: ao no hijerena na abobo na tsia. Ny tsy fahaiza-mitantana no hita mibaribary, afaka volana vitsy dia ho tapitra ny taona, hiditra amin’ny taom-pifidianana raha hisy. Tsy mahatratra akory ny vola voalaza fa hiditra anefa ny Fanjakana. Etsy andaniny, haroso ny 30 novambra ny fiafaran’ny “mandatement”, ny zavatra rehetra holazaina dia tsy misy hotanterahina izany hanafatra “bus” 1000 mialohan’ny faran’ny taona izany dia any an-kibon’ny omby izany. Ny eo tsy vita ny eo ampanantenaina ihany, ka misy fiafarany io abobo io. Ny dikany tsy mahay mitantana, hoy ny Miara-manonja. Mba manana teknisianina ihany isika kanefa manaiky hoviravirain’ilay Fanjakana tsy haninontsy haninona. Fanjakana “déffaillant” no manao “requisition” izany, ny solika mavesatra nogiazana tamin’ny Madagascar nivadika. Tsy misy tsy mikaikaika, ny sehatra iraisam-pirenena milaza fa “innéficace et inefficient. Sady tsy mahay mampiasa vola, no tsy mahay mandany vola, tsy mahay izany laharam-pahamehana izany. Ny kitapombolam-panjakana misy rovitra. Misy tompon’andraikitra ara-panjakana ambony miresaka aminay, fa efa tsy lasa intsony ity, milaza hoe: izahay efa manomboka mangoron’entana. Izy samy izy efa milaza fa tsy haharitra intsony ity, saingy mbola misy ny mieritreritra fa tena mbola manga ny lanitra. Asakasak’izay mbola azo ampiesonina, saingy mino izahay fa efa tsy mahazaka an’izao intsony ny vahoaka Malagasy, hoy hatrany ireo mpitarika io Fandaharana Miara-Manonja tarihin-dry Depiote Hanitra Razafimanantsoa sy Fidèle Rarapiera io.
Toky R
 

Dans la même rubrique

23-avril-2024

Nifanakalo traikefa tamin’ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny any Maroc ny ekipan’ny ODOF.

Card image cap
23-avril-2024

Mbola mitohy ny fisoratana anarana amin’ny loka Pierre Castel. Hifarana ny 24 aprily ho avy izao ny andiany amin’ity 2024 ity.

Card image cap