airtel

Toekarena

18-juin-2024

Famatsiam-bola fitserana FEC sy FRD

Hodinihin’ny filankevi-pitantanan’ny FMI ny 21 jona…

Sample post image

Mikasa ny handinika ny fangatahana fanavaozana ny FEC (Facilité Elargie de Crédit) sy ny FRD (Facilité pour la résilience et la durabilité)

18-juin-2024

ny ho an’i Madagasikara ny Filankevi-pitantanan’ny Tahirim-bola Iraisam-pirenena. Raha tsy misy fiovana, dia kasaina hatao ny 21 jona ny fandinihana sy fanapahan-kevitra momba ity raharaha Madagasikara ity any Washington, araka ny fandaharam-potoana vonjimaika momba ny fivoriana ara-pomba ofisialy sy ny seminera ataon'ity Filankevi-pitantanan’ny FMI ity. Nandeha ny fifampidihana samihafa toy ny fahatongavan’ny iraky ny FMI teto sy ny fifampidinihana ampitain-davitra. Afaka mahazo mihoatra ny 660 tapitrisa dolara avy amin'ny FMI i Madagasikara amin'ireo programa roa ireo, araka ny nambaran'ny ministeran'ny Toekarena sy ny Vola (MEF) nandritra ireo fifampiraharahana ireo. Afaka mangataka ny 100%-n'ny anjarany ho an'ny FEC ny firenena ary ny tolo-kevitra momba ny fanavaozana nambaran'ny Governemanta malagasy eo amin'ny sehatry ny tontolo iainana dia afaka hahazoana ny 100%-n'ny anjarany ihany koa ho an'ny FRD, araka ny filazan'ny minisitry Rindra Rabarinirinarison. Nanapa-kevitra ny hanajanona eo an-dalana ny programa FEC farany tokony ho nofaranana tamin'ny tapa-taona voalohany tamin'ity taona ity ny andaniny malagasy ary ny fanadihadiana fahadimy dia nahemotra talohan'ny nanajanonana azy. Nanazava ny MEF fa noho ny FRD tsy maintsy arahina amin'ny programa iray farafahakeliny 18 volana miaraka amin'ny FMI. Fa raha tsy ny hanitatra ny programa notanterahina tamin'ny 2021 izay nokasaina hofaranana tamin'ny jolay 2024, dia nisafidy ny hanangana FEC vaovao mandritra ny 36 volana, ho fanohanana izany ny manam-pahefana malagasy. Maindrandra mafy itony fanohanana fitserana iraisam-pirenena itony ny fitondrana Rajoelina eo anatrehan’ny fahasahiranana ara-bola, ara-toekarena, ara-tsosialy,… Voatery miditra amin’ny fifehezan-tenda amin’ny endriny maro, toy ny fampihenana ny fandaniana ka hanatsaharana ny fampidirana mpiasam-panjakana ao anatin’ny 6 volana. Ireo tetikasa lehibe ivon’ny propagandy hatramin’ny 2018 tsy dia hita izay fahatanterahany, fa any amin’ny filalaovana ireo fanampiana sy tohana mikasika ny maha olona sisa hanarontsaronana azy. Mbola henjana koa ny fepetra, indrindra eo anatrehan’ny fandroahana ankolaka ny Ambasadaoron’ny Vondrona Eoropeanina izay nitsikera ny tsy fangaraharaham-pitantanana eto. Asa mby aiza izao ilay hoe : tsy mila mpamatsy vola mahazatra rehefa Rajoelina no tonga eo amin’ny fitondrana fa isika aza no hampindram-bola an’i Kaomoro ?
Toky R
 

Dans la même rubrique