airtel

Toekarena

04-avril-2023

Toekarena

Famatsiam-bolan’ny Banky Iraisam-pirenena

Sample post image

Mahatratra 4,2 miliara dolara ny sora-bola saingy…

04-avril-2023

Mahatratra 4,2 miliara dolara ny sora-bola voalazan’ny Banky Iraisam-pirenena ho an’ny volana martsa 2023 teo, fa haompan’ny ho an’I Madagasikara. Voalaza fa haompana ho amin’ny fotodrafitrasa ny 35% amin’io, izany hoe: 1,495 miliara dolara. Ny 31% manome 1,302 miliara dolara kosa ho an’ny fampandrosoana lovain-jafy. Eo amin’ny laharana fahatelo kosa ny fampandrosoana ny mahaolona izay manome 25% na 1,045 miliara dolara, ary 9% na 393 tapitrisa dolara kosa ny lafiny ho an’ny famatsiana ireo rafitra ara-panjakana samihafa hisian’ny firoboroboana mirazotra. Voaresaky ny Banky iraisam-pirenena ireo tetikasa lehhibe izay voalaza fa vao nahazo fankatoavana, ka annisan’izany ny tetikasa «Connecter Madagascar pour une croissance inclusive », izay mitentina 400 tapitrisa dolara nankatoavina ny martsa 2022. Natao hanatsarana ny fifandraisana amin’ny alalan’ny làlam-pirenena, ny fitantanana ireeo lalambe sy làlana kaominaly sasany. Anisan’ny tafiditra ao anatin’izany ny RN10 sy ny RN31, raha ny fampahatsiahivan’ny Banky Iraisam-pirenena. Ny jona 2021 ihany koa raha tsiahivina, dia nankatoavina ny tetikasa momba ny fanatsarana ny rafitra ara-tsakafo aty Afrika Atsinanana sy Aostraly, izay mitentina 158,1 tapitrisa dolara ho an’I Madagasikara. Tafiditra ao anatin’io ny fanatsarana ny lafiny fampiroboroboana ny toerana mamokatra sy ny fambolena ary ny varotra manodidina izany. Tahaka izany ihany koa ny haraton’aina ara-tsosialy mitentina 250 tapitrisa dolara ho an’ny lafiny sosialy,… Zava-dehibe ny maheno izany sora-bola rehetra izany, saingy rehefa zohiana dia mbola mijanona ho sora-bola tokoa ny ankamaroany. Tsy mandeha fahoany fahoany rahateo ny famatsiam-bolan’ny Banky Iraisam-pirenena, fa misy fepetra maro tahaka ny fanjakana tsara tantana, fahombiazan’ny ady amin’ny kolikoly, mangaraharaha,… Ireny niaraha-nahita ireny anefa ny tatitra maro samihafa, toy ny nataon’ny Fitsarana momba ny kaonty ny febroary 2022 mikasika ny fitantanana ny vola 444 tapitrisa dolara tapany voalohany tamin’ny vola azo tamin’ny coronavirus. Ny fitsarana momba ny Koanty izay tsiahivina fa nosafidian’ny Amerikanina ho isan’ireo olona 8 tompondakan’ny ady amin’ny kolikoly ny Filohany. Isan’ny tompon’ny teny farany ao anatin’ireo rafitra ara-bola maneran-tany anefa ireny firenena matanjaka ireny. Tahaka izany ihany koa no nangoronan’ny firenena Scandinave iray ny masoivohony teto noho ny firongatry ny kolikoly.
Toky R
 

Dans la même rubrique

23-avril-2024

Nifanakalo traikefa tamin’ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny any Maroc ny ekipan’ny ODOF.

Card image cap
23-avril-2024

Mbola mitohy ny fisoratana anarana amin’ny loka Pierre Castel. Hifarana ny 24 aprily ho avy izao ny andiany amin’ity 2024 ity.

Card image cap