airtel

Toekarena

19-mai-2022

Toekarena

Famatsiana solika Tsy hiasa eto Madagasikara intsony ny Galana ?

Sample post image

Nisy ny fampahalalam-baovao iray nilaza, fa efa hiroso amin’ny fijanonana tsy hiasa intsony ny orinasa mpamatsy solika Galana.

19-mai-2022

Voalaza mantsy fa miavosa loatra ny trosa izay tsy voaloan'ny Fanjakana, ka nahatonga ilay orinasa ho sahirana ara-bola. Tsy araka ny tokony ho izy ihany koa anefa etsy andaniny ny vidin'ny solika eto Madagasikara amin'izao fotoana izao, raha ny fanamarihana. Manenjana amin’ireo orinasan-tsolika hitazona ny vidin'ny solika amin'izao ny fanjakana hatreto na efa nisy aza ny fampiomanana nataon’ny Filoham-pirenena eo anatrehan’ny mety ho fiakaram-bidy noho ny krizy iraisam-pirenena ateraky ny ady any Ukraine. Voalaza fa tokony mbola handoa vola amina miliara ariary ho an'ireo orinasa izay efa miha -rendrika tsikelikely ireo ny fanjakana. Amin’ny lafiny iray ihany koa anefa, tsy misy fifaninana teo amin’ny resaka vidin-tsolika teto, fa miray loha hatrany ireo orinasa amin’ny fampiakarana, raha nidina hatrany amin’ny 10 na 5 dolara ny vidiny teo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ny taona 2020 dia tsy nihena velively ny teto. Mifampiditra trosa ihany koa ny Fanjakana sy ny kaompania satria voalaza fa ananan’ny fanjakana vola ireo. Hatreto, tsy mety milamina ny kaonty, ka io misy orinasa manambana hisintaka io. Ao anatin'ilay orinasa Frantsay goavana, Rubis Group, ahitana ny Vitogaz sy ny SRPP moa ny Galana amin’izao, ka io vondron’orinasa io no isan’ny mitazona ny tsena goavana amin’ny fanafarana sy fitehirizana ireo vokatra avy amin'ny solika ao amin'ny Nosy La Réunion. Andrasana izay ho tohiny, fa mety hisy akony lehibe raha tanteraka tokoa io fisintahan’ny Galana eto Madagasikara io. Ahiana hampihiba hatrany ny faharisian’ny mpampiasa vola eto noho ny tsy fisian’ny fitoniana ara-pandraharahana na “climat des affares” milamina. Vao tsy ela ihany koa mantsy no nisy olana ny orinasa mpitrandraka fasimainty any Taolagnaro, izay voatery nanakatona tao anatin’ny andro vitsy ny asany noho ny sakana nataon’ireo andian’olona,… Misy mahita ireny ary io fa miseho ihany koa ny olan’ny orinasa hafa izay manaratsy endrika an’i Madagasikara. Raha hiverina kely amin’ny resaka solika, inona marina moa izany no tsy hanalalahan’ny Fanjakana an’io ka hampitomboina ireo orinasa mpaninjara? F’angaha tsy nahomby ihany koa ny orinasa SPM (State Procurement of Madagascar) izay natsangana ny novambra 2019 mba hanafatra mivantana ireo entana ilain’ny olona sy ny solika mba hialana amin’ny fanararaotana be ?
Toky R
 

 

Dans la même rubrique

18-avril-2024

1400 miliara Ariary eo, ankoatran’izay efa nampidirina anaty kitapom-bolam-panjakana, ny hetra tsy tafiditra,

Card image cap
18-avril-2024

Niresaka tamin’ny sehatra tsy miankina foana ny fitantanana ankapoben’ny hetra na DGI,

Card image cap