airtel

Toekarena

04-avril-2022

Toekarena

Famokarana “Mila fitaovana maoderina ny tantsaha”

Sample post image

Vahaolana haingana amin’ny zava-misy eto Madagasikara ankehitriny, hoy ny Kristianina mandinika raharaham-pirenena, Ralaiarimanana,

04-avril-2022

 dia ny fanodinana ny indostria eto Madagasikara mba tsy hiakaran’ny vidim-piainana loatra. Raisintsika, ohatra, hoy izy, ny menaka izay efa midangana dia tokony averina hiodina aingana ireny orinasa fanodinana voanjo eto an-toerana ireny. Eto amintsika ny akora ary inoana fa hampihena ny vidin’ny menaka izany. Tokony hilofo amin’ny famokarana voanjo bebe kokoa isika. Miha miakatra koa ny siramamy. Tokony sokafana ny SIRAMA. Ampirisihina ny fambolena fary. Ampirisihina ny tantsaha amin’ny famokarana, indrindra, ny vary izay foto-tsakafontsika. Ampidiro ireo fitaovana toy ny traktera, angadin’omby, indrindra, mifanaraka amin’ny tekinolojia ankehitriny toy ireny ampiasain’ny japoney mahavita ketsa aingana dia aingana. Tsy mila mitady zavatra raitra akory fa fitaovana maoderina zakan’ny tantsaha ny vidiny ary mora aminy ny mampiasa izany no ilaina. Tokony ampidinina ny vidin-jezika ary aparitaka izany. Raha mitambatambatra izany dia inoana fa ho voavaha ato anatiny ihany ny olana ara-tsakafo. Mila mandray andraikitra ny fitondrana mba tsy haha ripaka ny Malagasy. Mila sokafana sy amboarina haingana ny lalana hahafahan’ireo vokatra mifamezivezy araka ny tokony ho izy eto amin’ny firenena, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

28-mars-2024

Nahazo ny anjarany tamin’ny milina ODOF ihany koa ny Kaominina Ambohimangakely,

Card image cap