airtel

Toekarena

21-mars-2022

Toekarena

Famokarana mitodika amin’ny tsena Soja 2 tapitrisa taonina no hiakatra ao Betafo

Sample post image

Noho ny fahafantarana fa miompana amin’ny fambolena sy ny tontolo ambanivohitra ny fampandrosoana dia tena tsy mikely soroka ary manao ny ainy tsy ho zavatra i Livasoa Randriatahinamalala,

21-mars-2022

Filohan’ny kaoperativa «Firaisankina» no sady ben'ny Tananan’ny Kaominina ambonivohitra Betafo miezaka mitady mpiara-miombon’antoka hampandroso ny vahoaka mpikambana ao aminy amin’ny Kaoperativa izany tarihiny. Efa nizara masomboly soja 20taonina tamin’ny fiandohan’ny taom-pambolena ny volana oktobra 2021 teo ary olona 16 000 no nisitraka izany. Efa miompana amin’ny fandaminana ny fiotazana sy fanangonam-bokatra sahady ny kaoperativa. Nosantarina ny asabotsy 19 martsa 2022 teo ihany koa ny fizarana ireo fitaovana gony 10 000 misy « logo » na sary famantarana ny Kaoperativa Firaisankina sy « tarpolin » na goelaka 5 km hanahazan’ny mpamboly ny soja mialohan’ny hividianana azy) ao Betafo. Marihina moa mivondrona ao amin’ny Kaominina 21 ao anatin’ny distrika Betafo sy Mandoto ny vahoaka 16 000 anatin’ny Kaoperativa tarihin’ny ben’ny tanàna Livasoa. Nomarihiny fa efa nahazo fifanarahana na “contrat” amin’ny mpandray sy mpanondrana vokatra Soja mandritra ny taona maromaro ny kaoperativa amin’ity taona ity dia 2 000 000 taonina no eritreretina ho enjehina raha tratra amin’ity taona 2022 ary mety hiakatra ny kaomandy amin’ny taona 2023. Haondrana any Eoropa sy Etazonia ny ny vokatra soja vokarina ary efa eo an-dalam-panaovana fanadihadiana amin’izao ny sampan-draharaha iraisam-pirenena “ECOCERT” hanome ny “certification bio”… Famorakana mitodika amin’ny tsena ny làlantsaina hoentina. Raha tamin’ny taona 2003-2009 no niasa taty amin’ny faritra vakinankaratra ny MCA (Millenium Challenge Account) nampiroborobo ny “agribusiness” ary nijanona noho ny fanonganam-panjakana ny 2009 dia ity tanora mpandraharaha ity indray izao no hitondra herijika vaovao amin’ity resaka “agribusiness” ity aty amin’ny faritra vakinakaratra satria dia miraviravy tanana ny fanjakana foibe ary tsy manana politika mazava ny amin’ny fampandrosona ny tontolo ambanivohitra, hoy ny fanamarihana.
Toky R
 

Dans la même rubrique

18-avril-2024

1400 miliara Ariary eo, ankoatran’izay efa nampidirina anaty kitapom-bolam-panjakana, ny hetra tsy tafiditra,

Card image cap
18-avril-2024

Niresaka tamin’ny sehatra tsy miankina foana ny fitantanana ankapoben’ny hetra na DGI,

Card image cap