airtel

Toekarena

16-mai-2022

Toekarena

Famokarana siramamy Manao andrana ny « Mini-sucrerie » ao Antanamifafy

Sample post image

Mitsimoka tsikelikely ireo orinasa madinika mamokatra ny zavatra ilain’ny mponina amin’ny fiainana andavanandro.

16-mai-2022

Iray amin’ireny ny orinasa madinika famokarana siramamy na « Mini-sucrérie » ao Antanamifafy, Kaominina Ambalakida, Distrika Mahajanga II Faritra Boeny. Efa aman-taonany ity orinasa ity no nitsangana saingy izao vao manao andrana famokarana. Nitsidika io orinasa io ny Ministry ny Fampiroborobona ny Indostria, ny Varotra ary ny Fanjifana, Razafindravahy Edgard, ny 14 mey lasa teo mialoha ny ny tena hihodinan’ny orinasa ofisialy. Isaorana hoy ny minisitra ireo rehetra nitàna azy ity ho tonga amin’izao dingana izao. Famatsiam-bola avy amin’ny Vondrona eropeana sy fiaraha-miasa tamin’ny ONUDI izay sampan’ny Firenena Mikambana momba ny fampiromboroana ny indostria no nahazoana ity orinasa kely mamokatra siramamy ity ary ny orinasa Apolo International avy any Inde kosa no mpamatsy ny fitaovana sy ireo milina rehetra ao anatiny. Ireo tantsaha ao an-toerana kosa no mpamokatra sy mpamatsy ny fary ahodina ho siramamy. Hotokanana tsy ho ela izy ity ary notsiahivin’Atoa Minisitra fa anisan’ireo Taniketsa indostrialy iray isaky ny distrika araka ny vinan’ny Filoha ny Mini-sucrerie ao Antanamifafy ity.
Jean D.
 

 

Dans la même rubrique

23-avril-2024

Nifanakalo traikefa tamin’ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny any Maroc ny ekipan’ny ODOF.

Card image cap
23-avril-2024

Mbola mitohy ny fisoratana anarana amin’ny loka Pierre Castel. Hifarana ny 24 aprily ho avy izao ny andiany amin’ity 2024 ity.

Card image cap